Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 29:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ary izao no sorona dorana haterinareo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy iray, ondralahy iray ary zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah: vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:2
9 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izao andro voalohan’ny volana fahafito izao ny Israelita no nanomboka nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, na dia mbola tsy nalatsaka akory aza ny fototr’ilay tempolin’ny TOMPO.


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


Ny hatolotrareo ho an’ny TOMPO, ho sakafo miendrika sorona dorana manontolo, dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy.


«Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.


Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy


Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra