Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 29:1 - DIEM PROTESTANTA

1 «Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Amin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra; ho andro fitsofana ny trompetra fanairana ho anareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 «Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 «Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary amin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary amin'ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Amin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra; ho andro fitsofana ny trompetra fanairana ho anareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:1
21 Rohy Ifampitohizana  

I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.


Amin’izao andro voalohan’ny volana fahafito izao ny Israelita no nanomboka nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, na dia mbola tsy nalatsaka akory aza ny fototr’ilay tempolin’ny TOMPO.


Ingao ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga tsara feo mbamin’ny valiha.


Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.


Hankalazainareo manaraka izany ny fetin’ny fijinjana amin’ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr’izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin’ny faran’ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha.


«Ankalazao ny fetin’ny Pentekôsta amin’ny fotoana hijinjanareo ny santa-bary, ary ny fetim-bokatra amin’ny fararano.


Amin’izany andro izany, dia hanakoako ny feon’ny anjomara lehibe; ka ho tonga avokoa ireo very tany Asiria na ireo tafaely tany Ejipta mba hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO ao an-tendrombohitra masina any Jerosalema.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


Ny andro voalohany amin’ireo andro fito ireo, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.


Ary ny Tompo hiseho eo ambonin’ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo.


«Amin’ny andro Pentekôsta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an’ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.


«Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.


Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo, ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy iray sy ondrilahy iray avy ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.


«Ary amin’ny andro fahavalo, dia hisy fivoriana famaranana ny fetinareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra