Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 35:21 - Baiboly Katolika

21 dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia nanatona ny olona rehetra izay nohetsehin’ny fony sy izay rehetra nentanin’ny fanahiny avy ka samy nitondra ny anjara fanomezany ho an’NY TOMPO hanaovana ny tranolay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 Nony avy eo, dia tonga avokoa izay olona rehetra nentanin’ny fony sy malala-tanana, ka samy nitondra fanomezana ho an’ny TOMPO mba hanamboarana ny Tranolay fihaonana, hanaovana fanompoam-pivavahana sy hanamboarana ny fanamiana voatokana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Nony avy eo, dia tonga avokoa izay olona rehetra nentanin’ny fony sy malala-tanana, ka samy nitondra fanomezana ho an’ny TOMPO mba hanamboarana ny Tranolay fihaonana, hanaovana fanompoam-pivavahana sy hanamboarana ny fanamiana voatokana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 35:21
28 Rohy Ifampitohizana  

Fa tenanao, ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano ianareo. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.


Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an’ny fiaran’ny Faneken’i Iaveh sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona no ho enti-manao izany.


Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.


Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitra, izay volamena sy volafotsy ananako dia omeko hatao amin’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’izay rehetra nomaniko hanaovana ny fitoerana masina,


Izay nanam-bato soa, nanolotra izany teo am-pelatanan’i Jahiela Gersônita, ho rakitry ny tranon’i Iaveh.


Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.


Nony vao tonga tao amin’ny tranon’i Iaveh, tany Jerosalema, dia maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin’ilay nitoerany indray.


«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,


Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.


«Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy.


Nony nirava avy eo anatrehan’i Môizy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,


Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tanana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an’i Iaveh.


Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon’osy.


Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.


Manokàna zavatra hatolotra ho an’i Iaveh amin’ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin’i Iaveh, dia volamena, volafotsy, varahina,


Dia nampanalain’i Môizy i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan’i Iaveh fahaizana ny fony, mbamin’izay rehetra notaomin’ny fony amin’izany asa izany mba hahavitany azy.


Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.


Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. -


Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?


Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.


Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.


Mifohaza, mifohaza, ry Debôrà, mifohaza, mifohaza ka manaova hira anankiray! mitsangàna, ry Baràka, sambory izay ho babonao, ry zanak’i Abineômo.


Mihainoa, ry mpanjaka, mampandria sofina, ry mpanjaka: fa izaho dia izaho no hidera an’i Iaveh amin’ny hira, hilaza hira ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho.


Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra