Eksodosy 35:22 - Baiboly Katolika22 Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tanana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201122 Ary ny olona rehetra na lahy na vavy dia nitondra izay rehetra nanentanan’ny fony azy, dia fisisika, kavina, peratra, mason-drojo volamena, firavaka volamena isan-karazany; toy izany koa ny olona rehetra izay nanolotra volamena ka nataony fanatitra asandratra ho an’NY TOMPO. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA22 Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara22 Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy22 Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voavolamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, – dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible22 Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah. Jereo ny toko |
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.