Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 4:15 - Baiboly Katolika

15 Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary ny loholon’ny fiangonana dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy eo anatrehan’NY TOMPO dia hovonoina eo anatrehan’NY TOMPO ilay vantotra ombilahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Ireo loholon’ny Fiangonana dia hametra-tanana amin’ny lohan’ilay ombilahy, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; ary loholona anankiray no hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ireo loholon’ny Fiangonana dia hametra-tanana amin’ny lohan’ilay ombilahy, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO; ary loholona anankiray no hamono azy eo anoloan’ny Toeramasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary ny loholon’ny fiangonana hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy eo anatrehan’i Jehovah; ary ny vantotr’ombilahy dia hovonoina eo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary ny loholon’ny fiangonana dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy eo anatrehan’NY TOMPO dia hovonoina eo anatrehan’NY TOMPO ilay vantotra ombilahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:15
16 Rohy Ifampitohizana  

Izay vao naroso eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy noho ny ota, ka nametrahan’izy rehetra tanana;


Ary hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amin’i Iaveh ianao sy i Aarôna, i Nadaba sy i Abiò, ary loholona fitopolo amin’i Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.


Niakatra i Môizy, nomban’i Aarôna sy i Nadaba ary i Abiò mbamin’ny fitopolo lahy tamin’ny loholon’i Israely,


Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.


hapetrak’i Aarôna eo ambonin’ny lohan’ny osy lahy velona ny tanany roa, dia holazainy eo amboniny avokoa ny otan’ny zanak’i Israely sy ny fahadisoany rehetra araka izay fahotana nataony, hataony eo ambonin’ny lohan’ilay osy lahy izany ota izany, vao halefany ho any an’efitra izy, hoentin’ny olona efa voaomana.


Ny mpisorona voahosotra hitondra amin’ny ran’ny ombalahy ho ao an-trano lay fihaonana;


Hitondra ny vantotr’ombalahy ho eo anoloan’ny trano lay fihaonana izy, eo anatrehan’i Iaveh, dia hametraka ny tanany eo ambony lohan’ny ombalahy sy hamono azy eo anatrehan’i Iaveh.


Dia nasainy naroso ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ombalahy hatao sorona noho ny ota.


Dia nasainy naroso ny ondralahy hatao sorona dorana, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy.


Nasainy naroso koa ny ondralahy anankiray, ny ondralahy fanokanana; ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy aloha,


Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao.


Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.


Ny Levita, hasainao manatona eo anatrehan’i Iaveh, ary ny zanak’i Israely hametraka ny tanany amin’ny Levita.


Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra