Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 4 - Baiboly Katolika


4. I Tobia

1 Nataon’i Tobia fa nekena ny fangatahany ka dia efa ho faty izy; koa nantsoiny hankeo aminy i Tobia zanany,

2 dia hoy izy taminy: «Henoy ny teny aloaky ny vavako, anaka, ary alatsaho ho toy ny fototra mafy ao am-ponao izy.

3 Raha avy izay handraisan’Andriamanitra ny fanahiko, dia aleveno ny vatako, hajao amin’ny andro rehetra iainanao ny reninao;

4 fa tsy maintsy tsarovanao ny fijaliana niaretany sy ny loza lehibe nila hanjò azy noho ny aminao, fony izy nitondra anao tao an-kibony.

5 Ary raha avy koa izay hahatapitra ny andro iainany, dia aleveno eo akaikiko izy.

6 Amin’ny andro rehetra iainanao, manàna an’Andriamanitra tsy miala ao an-tsainao, mitandrema tena mba tsy hinia hanao fahotana na oviana na oviana, na handika ny didin’ny Tompo Andriamanitrao.

7 Manaova fiantrana amin’ny anananao, aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra na dia iray aza ny tavanao, dia tsy hiamboho anao koa amin’izany ny Tavan’Andriamanitra.

8 Aoka ho mpiantra, araka izay azonao atao ianao;

9 raha manam-be ianao manomeza be, ary raha manan-kely mitandrema tsara mba hizara izany kely izany, an-kazavam-po;

10 fa izany no hanangonanao rakitra be ho anao, rehefa avy izay andro fahaporetana.

11 Fa manafaka amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fahafatesana ny fiantrana, ary tsy hamela ny fanahy hidina any anatin’ny maizina.

12 Ho zary toky lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ambony indrindra ny fiantrana, ho an’izay rehetra nanao azy.

13 Fadio avokoa, anaka, rehefa mety ho fahalotoana, ary afa-tsy amin’ny vadinao, dia aoka tsy hisy asa mahameloka haninian’ny fieritreretanao anao.

14 Aza avela hanjaka ao am-ponao, na amin’ny teninao, na oviana na oviana, ny fiavonavonana, fa io no fototra niandohan’ny ratsy rehetra.

15 Raha misy olona miasa ho anao, aloavy miaraka amin’izay ny karamany, fa aza tanana izay karaman’ny mpikarama hijanona ao aminao na dia tapak’andro kely aza.

16 Mitandrema tsara mba tsy hanao amin’ny hafa izay mahatezitra anao raha atao aminao.

17 Iaraho homana amin’ny noana sy ny mahantra ny haninao, ary ampitafio amin’izay fitafianao ny tsy mitafy.

18 Asaovy aroso ny mofo aman-divainao, amin’ny fandevenana ny olo-marina, fa aza mihinana izany na misotro akory miaraka amin’ny mpanota.

19 Milà hevitra mandrakariva amin’ny olon-kendry.

20 Misaora an’Andriamanitra amin’ny andro rehetra; mangataha Azy hitari-dalana anao, hanambina anao amin’izay kasainao hatao rehetra.

21 Mampahalala anao koa aho, anaka, fa fony ianao mbola zazakely, dia nanome vola talenta folo an’i Gabelosa, any Ragesa tanànan’ny Meda aho, ary eto an-tanako izao ny rosia taminy.

22 Ka noho izany, miomàna faingana mba handeha mankany aminy haka izany vola izany, dia avereno aminy ny rosia taminy.

23 Aza manan-tahotra, anaka. Marina fa fivelomana mahantrahantra no antsika izao, nefa hanan-karem-be isika, raha matahotra an’Andriamanitra sy mandositra ny fahotana rehetra ary manao asa soa.»

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra