Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno Tôbita 4:12 - Baiboly Katolika12 Ho zary toky lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ambony indrindra ny fiantrana, ho an’izay rehetra nanao azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 «Anaka, aoka ianao hifady ny fanambadiana tsy araka ny lalànan’Andriamanitra; ka voalohany indrindra, vehivavy mpiray firenena aminao no aoka halainao ho vady! Aza manambady vehivavy vahiny izay tsy anisan’ny fokon-drainao, satria taranaky ny mpaminany isika. Tsarovy, anaka, ireo razambentsika hatramin’ny fahagola, dia ry i Nôà sy i Abrahama ary i Itsehàka sy i Jakôba; tsarovy fa vehivavy mpiray firazanana aminy no nalain’izy rehetra ho vady. Izany no nitsofan’Andriamanitra rano azy hanan-janaka; ary ny taranany no hahazo ny tany nampanantenaina. Jereo ny toko |