Satria nitsinjo amin’ny havoany masina Izy, satria nitsinjo ny tany teny an-danitra i Iaveh;
Isaia 61:1 - Baiboly Katolika Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava, DIEM PROTESTANTA Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja, Baiboly Protestanta Malagasy NY Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, Satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, Efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, Ary hitory fanafahana amin’ny babo Sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava, Malagasy Bible Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, La Bible en Malgache Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava, |
Satria nitsinjo amin’ny havoany masina Izy, satria nitsinjo ny tany teny an-danitra i Iaveh;
Fa ankasitrahin’i Iaveh ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin’ny famonjeny azy Izy.
Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy, mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
Ireo nilaozana, dia omen’Andriamanitra trano; manafaka ny voababo sy mamerina azy eo amin’ny fiadanana Izy ny mpiodina ihany no tavela eo amin’ny efitra mahamay.
Fa hankasitrahin’i Iaveh mihoatra noho ny ombalahy izany, mihoatra noho ny vantotr’ombalahy manan-tandroka sy kitro.
«Hampiakanjoinao i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany koa, hosoranao izy, hatokanao izy, ho hamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana Ahy.
Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin’i Iaveh, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely.
Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao, fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.
Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
Ny fiadanan’ny mpamitaka dia enti-mamadika, mamoron-tsain-dratsy izy io, hamerezany amin’ny lainga ny olona iva toerana, ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.
Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Indro ny Andriamanitrareo!»
Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mifatotra eo amin’ny tranomaizina, sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.
Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao: Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho; hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho; - Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»
hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe: ‹Mivoaha!› sy amin’izay ao anatin’ny aizina hoe: ‹Mankanesa atỳ amin’ny mazava;› hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana, ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;
Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»
Miaraha mihoby an-kafalina, ry Jerosalema rava! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy efa nanavotra an’i Jerosalema.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho; hitari-dalana azy, ary hamerina aminy ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy.
Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia taorian’ny nanaovan’i Sedesiasa mpanjaka fanekena tamin’ny vahoaka rehetra tao Jerosalema,
nasainy novana ny fitafiany tao an-tranomaizina; ary tsy tapaka nihinana teo anatrehany i Joasina, tamin’ny andro rehetra niainany.
Izany no raikitra ho anjaran’i Aarôna noho izy voahosotra, avy amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Fa izaho kosa feno hery, omban’ny Fanahin’i Iaveh, ary feno rariny aman-kerim-po, hanambara amin’i Jakôba ny helony; sy amin’i Israely ny fahotany.
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely,
Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin’izay. ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.
ka izao no navaliny an’ireto iraka: «Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torina amin’ny mahantra ny Evanjely,
Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe: «Efa hitanay ny Mesia» (izany hoe: Kristy, ilay Voahosotra raha adika).
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,
Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.
Nefa kosa, Andriamanitra ilay mpanafaka alahelo ny ory dia nanafaka alahelo anay tamin’ny nahatongavan’i Tito,
Tia ny fahamarinana Ianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra.