Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 7:35 - Baiboly Katolika

35 Izany no raikitra ho anjaran’i Aarôna noho izy voahosotra, avy amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Ireo no anjaran’i Arona sy anjaran’ireo zanany avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, nanomboka tamin’ilay andro nanolorana azy ireo ho mpisorona ho an’NY TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

35 Ireny zavatra navahana avy amin’ny sorona nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO ireny no anjaran’i Aharôna sy ireo taranany amin’ny maha mpisorona azy, manomboka amin’ny andro nametrahana azy hanao ny fanompoana maha mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Ireny zavatra navahana avy amin’ny sorona nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO ireny no anjaran’i Aharôna sy ireo taranany amin’ny maha mpisorona azy, manomboka amin’ny andro nametrahana azy hanao ny fanompoana maha mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, amin’ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’i Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Izany no anjaran'i Arona sy ny zanany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, amin'ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an'i Jehovah,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 7:35
15 Rohy Ifampitohizana  

«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.


«Izao no ataovy amin’ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho Ahy: Makà vantotr’ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.


Makà amin’ny ra izay eo ambonin’ny ôtely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin’i Aarôna mbamin’ny fanamiany, sy amin’ny zanany mbamin’ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy.»


Dia alaovy ny diloilo fanosorana, ka aidino eo amin’ny lohany hanosoranao azy.


Ka izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin’ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Dia nakan’i Môizy ny diloilo fanosorana sy ny ra teo ambonin’ny ôtely, nafafiny tamin’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ary tamin’ireo zanak’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa i Aarôna sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany.


Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.


Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy, fa Andriamanitra, Izay naha-voahosotra antsika,


Fa ianareo kosa dia voahosotr’ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra.


Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.


Nofidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra izy ho mpisoroko, hiakatra amin’ny ôteliko, handoro zava-manitra, hitafy ny efôda eo anatrehako, ary nomeko ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ny zanak’i Israely amin’ny afo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra