Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 40:9 - Baiboly Katolika

9 Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Indro ny Andriamanitrareo!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Ry vahoakan’i Tsiôna nanankinana vaovao mahafaly ô, miakara eny an-tendrombohitra avo; ry vahoakan’i Jerosalema nanankinana vaovao mahafaly ô, ingao mafy ny feonao ka aza matahotra. Lazao amin’ireo ao tanànan’i Joda hoe: «Indro Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ry vahoakan’i Tsiôna nanankinana vaovao mahafaly ô, miakara eny an-tendrombohitra avo; ry vahoakan’i Jerosalema nanankinana vaovao mahafaly ô, ingao mafy ny feonao ka aza matahotra. Lazao amin’ireo ao tanànan’i Joda hoe: «Indro Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, Miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, Asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ry Ziona*, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 40:9
31 Rohy Ifampitohizana  

Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!


Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.


Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»


Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.


ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.


Izaho no voalohany nilaza tamin’i Siôna hoe: «Indro! indreo izy.» ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly hoe an’i Jerosalema Aho.


Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.


Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;


Mihainoa Ahy, ianareo mahalala ny fahamarinana, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao. Aza matahotra izay latsan’olombelona; na mivadi-po amin’izay fanaratsian’izy ireo.


Koa indro, hahalala ny Anarako kosa ny vahoakako; eny, ho fantany amin’izany andro izany, fa Izaho miteny hoe: «Inty aho!»


Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany, tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Miakara any Libàna, dia miantsoa mafy manandrata feo any Basàna! Miantsoa mafy any an-tampon’i Abarima, fa torotoro avokoa ireo lehilahinao.


Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.


ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.


Tamin’izay, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera ka nanao antso avo tamin’ireo hoe: Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko.


Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian’i Piera sy i Joany, satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo;


Ary ankehitriny, Tompo, jereo ny fandrahonany, ary omeo ny mpanomponao ny hery hitory ny teninao amin-kasahiana tokoa,


Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin’ny faravazantany ny teniny.


dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran’ny Evanjely,


Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.


Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory.


Nony nilaza izany i Joatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra