Isaia 30:26 - Baiboly Katolika26 Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201126 Ny hazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny hazavan’ny masoandro dia ho avo fito heny ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’NY TOMPO ny fahatorotoroan’ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA26 Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy, ny fahazavàn’ny volana dia ho tahaka ny an’ny masoandro, ary ny fahazavàn’ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara26 Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy, ny fahazavàn’ny volana dia ho tahaka ny an’ny masoandro, ary ny fahazavàn’ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy26 Ary ny fahazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, Ary ny fahazavan’ny masoandro dia ho avy fito heny, Ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, Amin’ny andro hamehezan’i Jehovah ny fahatorotoroan’ny olony, Sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible26 Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy. Jereo ny toko |