«Efa hitanao va ny nanetren’i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin’ny androny kosa aho fa amin’ny andron-janany vao hahatonga loza amin’ny tranony aho.»
1Petera 5:6 - Baiboly Katolika Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro; DIEM PROTESTANTA Koa manetre tena eo ambany tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro voatendriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa manetre tena eo ambany tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro voatendriny. Baiboly Protestanta Malagasy Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; Malagasy Bible Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; La Bible en Malgache Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro; |
«Efa hitanao va ny nanetren’i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin’ny androny kosa aho fa amin’ny andron-janany vao hahatonga loza amin’ny tranony aho.»
noho ianao natahotra sy nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny nandrenesanao izay tononiko hanjò ity fitoerana ity sy ny mponina ao aminy, fa hoe ho tonga fitairana sy fanozona izy, ary noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao kosa Aho. - teny marin’i Iaveh:
Noho i Rôbôama nanetry tena, dia niala taminy ny fahatezeran’i Iaveh, ka tsy dia tena rava izy, ka mbola nisy zavatra tsara ihany tamin’i Jôdà.
Ny olona sasany tamin’ny Asera sy i Manase ary i Zabolôna no hany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.
Dia nanetry tena i Ezekiasa noho ilay niavonavonan’ny fony, dia izy mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka tsy niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy ireo, nandritra ny andro niainan’i Ezekiasa.
Nony latsaka am-pahoriana izy vao nihanta an’i Iaveh Andriamaniny, nanetry tena lehibe teo anatrehan’ny Andriamanitry ny razany.
Ny vavaka nataony, ny nihainoan’Andriamanitra an’izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan’ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Hôzaia.
Tsy mba nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh tahaka ny nataon-drainy anefa izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza i Amôna.
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany, izay niteny taminy, tamin’ny anaran’i Iaveh.
Ny atsimo sy avaratra, Ianao no nahary azy. Tabôra sy Hermôna indray mientana amin’ny Anaranao.
Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo Ahy.
Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy amin’ny tanana mahery;
Nifona tamin’i Iaveh Andriamaniny anefa i Môizy ka nanao hoe: «Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery?
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe: Mipetraha ianareo amin’ny tany, fa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo.
Mandrak’androany izy ireo tsy mbola nanenina, tsy mbola nanan-tahotra, tsy mbola nandeha araka ny lalàko na ny didy nataoko teo anoloanareo sy teo anoloan’ny razanareo.
Ny mpandositra rehetra tamin’ny miaramilany rehetra, ho lavon’ny sabatra; ary ny sisa kosa, haely amin’ny vazantany rehetra; dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no niteny.
no nandrosoako nanohitra azy sy nandefasako azy tany an-tanim-pahavalony. Ary amin’izay, rehefa mietry tena ny fony tsy voafora, ka manaiky ny sazin’ny hadisoany,
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina, tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»
Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,
fa tamin’ny fotoana voatendriny no nampiharihariany ny teniny tamin’ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika:
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra, ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.