Isaia 2 - Baiboly Katolika1 Ny teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema. Fiadanana maharitra (Jereo Mik 4,1-3 ) 2 Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy, 3 ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.» 4 Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona. 5 Avia, ry taranak’i Jakôba, ka aoka handeha amin’ny fahazavan’i Iaveh isika. Fisehoan’i Iaveh 6 Fa efa nandao ny vahoakanao Ianao, ny taranak’i Jakôba, satria efa feno tafahoatra hatry ny ela ny helony; manaraka ny fankatoavana toy ny Filistinina izy, ary mifandray tanana amin’ny zanaky ny hafa firenena. 7 Feno volafotsy sy volamena ny taniny, ary ny rakitra ao aminy tsy misy fetra; 8 feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo, dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany. 9 Noho izany, haetry ny olona, ary haiva ny olombelona: Eny, tsy hamela ny helony Ianao! 10 Midira ao anaty vatolampy, miere ao anaty vovoka, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh sy ny famirapiratan’ny fiandrianany. 11 Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany. 12 Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy: 13 hamelezana ny sedera avo sy manerinerina rehetra any Libàna, mbamin’ny aoka rehetra any Basana; 14 hamelezana ny tendrombohitra avo rehetra, mbamin’ny havoana manerinerina rehetra; 15 hamelezana ny tilikambo mijoalajoala rehetra, mbamin’ny manda mafy rehetra; 16 hamelezana ny sambon’i Tarsisa rehetra, mbamin’izay mahafinaritra ny maso rehetra. 17 Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany. 18 Ny sampy ho foana avokoa. 19 Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona, sy anatin’ny zohy amin’ny tany, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy. 20 Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy; 21 izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy. 22 Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona, izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony; ka hatao inona izy? |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society