Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno Tôbita 2 - Baiboly Katolika2. Izy jamba 1 Tatỳ aorian’izany, tonga ny anankiray amin’ny fetin’ny Tompo, ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon’i Tobia, 2 ka hoy izy tamin’ilay zanany: «Mandehana ary mitondrà mankatỳ olona vitsivitsy iray foko amintsika, izay matahotra an’Andriamanitra, hiara-misakafo amintsika.» 3 Dia lasa ilay zanany; nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak’i Israely anankiray, novonoin’olona, ka mitsitra foana ao an-dalam-be ao. Nitsangana niaraka tamin’izay i Tobia, niala tamin’ny latabatra, navelany teo ny sakafo, tsy nihinana izy na dia kely aza; nony tonga tany amin’ilay faty izy, 4 nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony, haleviny amim-pahamalinana, rehefa maty ny masoandro. 5 Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso, 6 fa tsaroany ilay tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny vavan’i Amôsa mpaminany hoe: «Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo.» 7 Nony maty ny masoandro, dia nivoaka nandevina ilay faty izy. 8 Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe: «Efa nodidiana hovonoina ho faty ianao noho izany ihany, ary vao afaka tamin’izany fanamelohana ho faty izany ianao, dia manomboka mandevina ny maty indray!» 9 Andriamanitra anefa no natahoran’i Tobia noho ny mpanjaka, ka nalainy ihany ny fatin’io novonoina, nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina. 10 Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony izy, ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny, dia niretaka teo am-body rindrina; ka nosintonin-tory. 11 Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy amin’ny akaniny, teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy. 12 Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany, mba hatao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany, toy ny an’i Jôba lehilahy masina. 13 Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra, sy nitandremany ny didiny mandrakariva, dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy, tamin’izany azon-doza tonga jamba izany; 14 fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy, nisaotra azy isan’andro nandritra ny andro niainany. 15 Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra, no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tobia ny fitondran-tenany, 16 nataony hoe: «Fa zary inona ity fanantenanao, tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?» 17 Nanarin’i Tobia izy ireo, nataony hoe: 18 «Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika, ka ilay fiainana tsy maintsy omen’Andriamanitra an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy no antenaintsika.» 19 I Anà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba, ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo. 20 Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy, ka nentiny tao an-trano. 21 Nony nandre ny fibarareokan’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe: «Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany, ka avereno any amin’ny tompony, fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika, na dia mikasikasika izany akory aza.» 22 Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe: «Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao; izany no vokatry ny fiantranao?» 23 Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society