Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno Tôbita 2:10 - Baiboly Katolika10 Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony izy, ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny, dia niretaka teo am-body rindrina; ka nosintonin-tory. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Tsy fantatro kosa fa nisy sidintsidina nanao akany tao amin’ny tamboho, teo amboniko. Koa tain-tsidintsidina mbola mafana no nilatsaka tamin’ny masoko roa ary nampisy pentina fotsy teo. Nankany amin’ny dokotera aho mba hotsaboiny; saingy arakaraky ny nampiasana menaka fanosotra tamiko no vao mainka nohajambain’ireo pentina fotsy ireo ny masoko, ary dia niafara ho jamba tanteraka. Tsy afa-nahita mihitsy ny masoko nandritra ny efatra taona. Onena ahy ireo havako rehetra. Nandritra ny roa taona i Ahikara dia niahy ny zavatra nilaiko, alohan’ny handehanany ho any Elimaîda. Jereo ny toko |