Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
Genesisy 23:2 - DIEM PROTESTANTA dia maty tao Kiriata-Arbà, izany hoe tao Hebrôna, any amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga i Abrahama mba hisaona sy hitomany an’i Sarà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary maty tao Kiriata-Arba na Hebrona, tany amin’ny tany Kanana, i Saraha. Dia tonga i Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia maty tao Kiriata-Arbà, izany hoe tao Hebrôna, any amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga i Abrahama mba hisaona sy hitomany an’i Sarà. Baiboly Katolika Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy. Malagasy Bible Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy. La Bible en Malgache Ary maty tao Kiriata-Arba na Hebrona, tany amin’ny tany Kanana, i Saraha. Dia tonga i Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy. |
Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
Taorian’izany i Abrahama dia nandevina ny fatin’ny Sarà vadiny, tao amin’ilay lava-bato tao amin’ny saha Makpelà akaikin’i Mamre, izany hoe Hebrôna ao amin’ny tany Kanahàna.
Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.
Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»
Ary nandeha i Jakôba nankany amin’i Itsehàka rainy tany Mamre, tao akaikin’i Kiriata-Arbà izay antsoina hoe Hebrôna ankehitriny, fa tao Mamre no nivahinian’i Abrahama sy i Itsehàka.
Fa hoy indray i Jakôba hoe: –Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian’ondry aman’osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrôna i Jôsefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin’i Sekema izy,
Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.
Mandra-paharivan’ny andro izy ireo dia nitomany sy nifady hanina ary nisaona an’i Saoly sy i Jônatàna zanany mbamin’ny Israelita izay maty an’ady ka anisan’ny vahoakan’ny TOMPO.
Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ireo loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely.
Teo Hebrôna, dia fito taona sy tapany no nanjakany tamin’ny fokon’i Joda; ary tany Jerosalema dia 33 taona no nanjakany tamin’i Israely sy i Joda mitambatra.
nisy avy tamin’ny fokon’i Jisakara: dia i Kisiôna sy i Daberata ary i Ramôta sy i Hanema mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.
Ny sasany tamin’ny taranak’i Joda dia nonina tany amin’ireto tanàna teny anivon-tsaha ireto: i Kiriata-Arbà sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Dibôna sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Kabitseela sy ny tanàna mifanila aminy,
Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.
Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»
Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.
Rehefa tsinjon’ny fiangonana manontolo fa maty i Aharôna, dia nisaona azy nandritra ny telopolo andro ny taranak’i Israely rehetra.
Ary ny Jiosy izay teo amin’i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka lasa any ivelany, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ny fasana hitomany any izy.
Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.
Azony ny tanàna sy ny mpanjakany mbamin’ireo tanàna manodidina an’i Debira. Naringany tamin’ny sabatra ny mponina rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’i Hebrôna sy i Libnà mbamin’ny mpanjakany no nataon’i Josoa tamin’i Debira sy ny mpanjakany.
I Kaleba, zanakalahin’i Jefonè, dia nomena ampahany tao amin’ny tanin’ireo taranak’i Joda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Josoa. Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà razamben’ny Hanakita; i Kiriata-Arbà no natao hoe Hebrôna tatỳ aoriana.
i Hometà, i Kiriata-Arbà izay nantsoina koa hoe Hebrôna, ary i Tsihôra; izany hoe tanàna sivy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.
Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.
Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà araka ny anaran’ilay razamben’ny Hanakita. Io tanàna io ankehitriny dia atao hoe Hebrôna, any amin’ny faritra havoan’i Joda. Nomena miaraka aminy koa ny kijàna manodidina azy.
Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.
Fa raha mbola velona eto ambonin’ny tany koa iny zanakalahin’i Jisay iny, dia tsy ho tonga mpanjaka na oviana na oviana amin’ity tany ity ialahy! Koa sambory izy ary ento atỳ amiko, fa mendrika azy ny ho faty.
Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.
Rehefa maty i Samoela, dia nisaona azy ny Israelita rehetra, ary nandevina azy tao Ramà tanànany. Ary efa noraran’i Saoly tsy hatao amin’ny taniny ny famohazana angatra sy ny sikidy.