Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Josoa 21 - DIEM PROTESTANTA


Ny tanànan’ny Levita
(Jereo 1 Tan 6.39-66 )

1 Ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Levỳ dia nanatona an’i Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana tamin’ny foko israelita;

2 tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna, no nihaonana ka hoy ireo filoham-pianakaviana levita hoe: –Ny TOMPO efa nanome baiko tamin’ny alalan’i Mosesy mba homena tanàna maromaro honenanay izahay, ary koa homena ny kijàna manodidina azy avy ho an’ny biby fiompinay.

3 Dia samy tamin’ny zarataniny avy no nanomezan’ny Israelita ireto tanàna ireto mbamin’ny kijàna manodidina azy mba ho an’ny Levita, araka ny baikon’ny TOMPO.

4 Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia ho an’ireo tarika taranak’i Kehata; anisan’ny levita kehatita ny taranak’i Aharôna mpisorona ka ny azon’ireo tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna ary fokon’i Benjamîna.

5 Ny azon’ny taranak’i Kehata sisa kosa tamin’ny antsapaka dia tanàna folo avy tamin’ny fokon’i Efraîma sy fokon’i Dana ary antsasa-pokon’i Manase any andrefana.

6 Ny azon’ny taranak’i Geresôna tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Naftalỳ sy antsasa-pokon’i Manase any Basàna.

7 Ny azon’ny taranak’i Merarỳ kosa dia tanàna 12 avy tamin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary fokon’i Zebolòna.

8 Ireo tanàna ireo mbamin’ny kijàna manodidina azy avy dia tamin’ny antsapaka no nanomezan’ny Israelita azy ny Levita, araka izay efa nandidian’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.

9 Ireto no anaran’ireo tanàna avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna,

10 tanàna izay nomena ny taranak’i Aharôna anisan’ny tarika levita kehatita satria ry zareo no nahazo ny antsapaka voalohany.

11 Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà araka ny anaran’ilay razamben’ny Hanakita. Io tanàna io ankehitriny dia atao hoe Hebrôna, any amin’ny faritra havoan’i Joda. Nomena miaraka aminy koa ny kijàna manodidina azy.

12 Fa ny saha sy ireo tanàna kely miankina amin’i Hebrôna kosa dia efa natolotra an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè.

13 Miaraka amin’i Hebrôna, izay tanàna fialofan’ny mpamono olona tsy nahy, dia natolotra ny taranak’i Aharôna koa i Libnà,

14 i Jatira, i Estemôa,

15 i Hôlôna, i Debira,

16 i Hasàna, i Jotà, ary i Bety-Semesa: izany hoe, avy amin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna, tanàna sivy mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

17 Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna koa ny nomena ny taranak’i Aharôna dia i Gibehôna, i Geba,

18 i Hanatôta, ary i Halemeta: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

19 Ny tanàna rehetra nomena ny mpisorona taranak’i Aharôna dia tanàna 13 mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

20 Ary ireo tarika sisa tamin’ny levita taranak’i Kehata kosa dia ireto tanàna ireto no azony tamin’ny antsapaka.

21 Avy tamin’i fokon’i Efraîma dia i Sekema, izay tanàna fialofana ao anatin’ny faritra havoan’i Efraîma, i Gezera,

22 i Kibetsaîma, ary i Bety-Hôrôna: izany hoe tanàna efatra mbamin’ireo kijàna samy manodidina azy.

23 Avy tamin’ny fokon’i Dana dia i Eltekè, i Gibetôna,

24 i Aialôna, ary i Gata-Rimôna: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

25 Avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase tany ampita andrefan’i Jôrdàna dia i Tahenàka sy i Jiblehama: izany hoe tanàna roa mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

26 Ny tanàna rehetra azon’ireo tarika sisa taranak’i Kehata dia tanàna folo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

27 Ireo tarika tamin’ny levita taranak’i Geresôna kosa dia ireto tanàna ireto no azony. Avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase teny atsinanana dia i Gôlàna any Basàna, izay tanàna fialofana, sy i Behestèra: izany hoe tanàna roa mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

28 Avy tamin’ny fokon’i Jisakara dia i Kisiôna, i Daberata,

29 i Jarmota, ary i Haîna-Genima: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

30 Avy tamin’ny fokon’i Asera dia i Misala, i Habdôna,

31 i Helkata, ary i Rehôba: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

32 Avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ dia i Kedesa any Galilea, izay tanàna fialofana, i Hamôta-Dôra ary i Kartàna: izany hoe tanàna telo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

33 Ny tanàna rehetra azon’ny Geresônita ho an’ireo tarika tao anatiny dia tanàna 13 mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

34 Ireo Levita hafa sisa dia ny tarika taranak’i Merarỳ, ka ireto tanàna ireto no azony. Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna dia i Jôknehama, i Kartà,

35 i Dimnà, ary i Nahalala: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

36 Avy tamin’ny fokon’i Reobena any atsinanan’i Jôrdàna, dia i Betsera izay tanàna fialofana, i Jahatsà,

37 i Kedemôta, ary i Mefahata: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

38 Avy tamin’ny fokon’i Gada dia i Ramôta any Gilehada, izay tanàna fialofana, i Mahanaîma,

39 i Hesbôna, ary i Jahezera: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.

40 Koa 12 ny tanàna rehetra azon’ny taranak’i Merarỳ antsapaka ho an’ireo tarika ao anatiny, dia ireo hafa sisa anisan’ny tarika levita.

41 Ny tanàna rehetra azon’ny Levita teo anivon’ny tanin’ny Israelita hafa dia 48 no isany.

42 Ireo tanàna rehetra ireo dia samy manana ny kijàna manodidina azy avy.

43 Nomen’ny TOMPO ho an’ny Israelita ny tany manontolo, izay efa nianianany homena ny razambeny: dia azony ho fananany tokoa izany ka nonenany.

44 Nampisy fandriam-pahalemana ho azy koa ny TOMPO tamin’ny sisin-tany manodidina azy, araka ny fianianana rehetra efa nataony tamin’ny razambeny. Nampandresen’ny TOMPO ireo fahavalony rehetra izy ka tsy nisy nahatohitra azy mihitsy ireny na iray aza.

45 Tanteraka avokoa ny zava-tsoa rehetra nambaran’ny TOMPO tamin’ny Israelita fa tsy nisy latsaka.

Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara © Malagasy Bible Society, 2004.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra