Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 21:38 - DIEM PROTESTANTA

38 Avy tamin’ny fokon’i Gada dia i Ramôta any Gilehada, izay tanàna fialofana, i Mahanaîma,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 ary avy tamin’ny fokon’i Gada, dia i Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, ao koa i Mahanaima sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 Avy tamin’ny fokon’i Gada dia i Ramôta any Gilehada, izay tanàna fialofana, i Mahanaîma,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Totalin’ny tanàna azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany tamin’ny loka, dia ny fianakavian’ny Levita sisa: tanàna 12.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 ary avy tamin’ny firenen’i Gada, dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

38 ary avy tamin’ny fokon’i Gada, dia i Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, ao koa i Mahanaima sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 21:38
14 Rohy Ifampitohizana  

Nanohy ny diany i Jakôba, ary nisy anjelin’Andriamanitra nifanena taminy.


Tonga tao Mahanaîma i Davida, raha nita an’i Jôrdàna i Absalôma mbamin’ny miaramila rehetra amin’i Israely.


Nidina avy tany Rôgelima i Barzilay izay Gilehadita. Niara-nita an’i Jôrdàna tamin’ny mpanjaka izy mba hanao veloma azy erỳ am-pitan’ny rano.


Fa nentin’i Abinera zanakalahin’i Nera sady lehiben’ny tafik’i Saoly nankany Mahanaîma i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly,


Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’ny manamboninahiny: «Fantatrareo tsara fa antsika ny tanànan’i Ramôta any Gilehada, koa inona no isalasalantsika tsy haka izany amin’ny mpanjakan’i Siria?»


ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;


i Ahinadaba zanakalahin’i Hidao no tao amin’ny faritr’i Mahanaîma;


dia i Betsera, eo amin’ny lembalemba any an-taniefitra, ho an’ny Reobenita; i Ramôta any Gilehada, ho an’ny Gadita; ary i Gôlàna any Basàna, ho an’ny Manasita.


dia mitatra hatreo Hesbôna ka hatrany Ramata-Mitsipè sy Betônima, ary hatreo Mahanaîma ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Lô-Dabara.


Ny faritaniny dia manomboka eo Mahanaîma ao atsimo ary mahafaoka an’i Basàna manontolo, izany hoe ny fanjakana manontolo izay an’i Hôga mpanjaka tao Basàna, mbamin’ny fitambaran’i Havôta-Jaîro, izay tanàna enimpolo tao Basàna;


Teny ampita atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao kosa dia ireto tanàna ireto no voafidy: i Betsera, any amin’ny taniefitra lembalemba, avy amin’ny fokon’i Reobena; sy i Ramôta any Gilehada, avy amin’ny fokon’i Gada; ary i Gôlana any Basàna, avy amin’ny fokon’i Manase.


i Kedemôta, ary i Mefahata: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


i Hesbôna, ary i Jahezera: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra