Genesisy 50:10 - DIEM PROTESTANTA10 Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 Rehefa tonga teo Gorena-Atada izay any andafin’ny Jordana izy ireo dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo. Nisaona ny rainy hafitoana i Josefa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika10 Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 Ary rehefa tonga teo Goren-atada izy, izay ao an-dafin’i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa. Jereo ny tokoMalagasy Bible10 Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache10 Rehefa tonga teo Gorena-Atada izay any andafin’ny Jordana izy ireo dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo. Nisaona ny rainy hafitoana i Josefa. Jereo ny toko |
Amin’izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin’ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.