Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 50:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Nony nahita izany fomba fisaonana tao Gôrena-Atàda izany ny Kanahanita nonina tamin’iny faritra iny, dia loa-bolana hoe: –Fisaonana mangidy ho an’i Ejipta ity! Izany no niantsoana io toerana any am-pitan’i Jôrdàna io hoe Abela-Mitsiraima, izany hoe Fisaonan’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Rehefa hitan’ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Gorena-Atada dia hoy izy ireo: Fisaonana lehibe amin’ny Ejiptiana izao! Izany no nanaovany ny anarany hoe Abela-Ejiptiana, any andafin’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nony nahita izany fomba fisaonana tao Gôrena-Atàda izany ny Kanahanita nonina tamin’iny faritra iny, dia loa-bolana hoe: –Fisaonana mangidy ho an’i Ejipta ity! Izany no niantsoana io toerana any am-pitan’i Jôrdàna io hoe Abela-Mitsiraima, izany hoe Fisaonan’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Nony nahita izany fisaonana tao am-pamoloan’i Atada izany ny Kananeanina tompon-tany dia hoy izy: «Endrey izany fisaonana lehibe amin’ny Ejiptianina!» Izany no nanaovana ny anaran’io fitoerana andafin’i Jordany io hoe: Abela Mitsraîma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary rehefa hitan’ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin’ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 50:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Abrahama namaly azy: –Tandremo tsara mba tsy haverinao any ny zanako.


Dia hoy i Jakôba tamin’i Simehôna sy i Levỳ: –Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin’ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako.


Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.


Avy eo dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nanafaran-drainy azy.


(I Gerizima sy i Hebala dia tendrombohitra roa any an-dafy andrefan’ny ony Jôrdàna, any amparan’ny lalana miankandrefana, eo amin’ny tanin’ireo Kanahanîta monina ao amin’ny faritr’i Harabà; ireo tendrombohitra roa ireo dia eo akaikin’ny ôakan’i Môrà, tandrifin’i Gilgala).


Aoka mba hahazo mita aho ka hahita izany tany soa any andafin’i Jôrdàna izany, dia ilay faritra be tendrombohitra tsara sy i Libano.»


Miakara eo an-tampon’i Pisgà ianao ary atopazy miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, dia aoka hijery; satria tsy hahazo mita izany Jôrdàna izany ianao.


Ireo totozy volamena kosa dia natao araka ny isan’ny tanàna filistinina rehetra nentin’ireo filoha dimy, manomboka amin’ny tanànamimanda ka hatramin’ny tanàna kely eny ambanivohitra. Ny vato lehibe nametrahana ny Vatamasin’ny TOMPO no vavolombelon’izany; mandraka androany io vato io mbola ao an-tsahan’i Josoà, lehilahy avy any Betỳ-Semesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra