Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Aza itomaniana ilay maty ary aza igogogogoana izy io; fa ilay lasana no itomanio dia itomanio, fa tsy hiverina intsony izy, tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Aza mitomany ny maty hianareo, Na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, Na hahita ny tany nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:10
19 Rohy Ifampitohizana  

Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an’i Jerosalema.› » Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.


Tamin’ny andro nanjakany no nitondran’ny Farao Nekao mpanjakan’i Ejipta ny tafiny ho any amoron’i Eofrata mba hanampy ny mpanjakan’i Asiria. Ary nandeha i Jôsià mba hifanehatra aminy; kanjo vantany vao hitan’ny Farao izy, dia novonoiny ho faty tao Megidao.


Dia i Eliakima rahalahin’i Jôahaza no nataony mpanjaka tamin’i Joda sy i Jerosalema, ary novany anarana hoe Jôiakima; fa i Jôahaza rahalahiny kosa nalain’i Nekao ka nentiny ho any Ejipta.


Ataoko fa ireo efa maty dia sambatra noho izay velona mbola miaina.


Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin’izany. Eny, ny famelezan’ny mpisompatra no akàna an-keriny ny olo-marina.


Tsy hisy hanome hanina ny fianakaviana misaona na hampionona azy, ary tsy hisy hampisotro amin’ny kaopy fampiononana izay maty ray na maty reny.


Eny, izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Salòma mpanjakan’i Joda izay nandimby an’i Jôsià rainy ary vao nandao ity toerana ity: «Tsy hiverina intsony izy.


Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»


Haniry mafy hiverina atỳ amin’ny taninareo ianareo, nefa tsy ho tafaverina atỳ intsony.»


Nanafatra ahy ny Tompo hilaza amin’izy rehetra hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitr’i Israely: Misotroa ianareo ka mimamoa sy mandoava ary mianjerà amin’ny tany mihitsy; ka tsy ho tafarina intsony ianareo noho ny fandringanana izay halefako eo anivonareo.»


Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».


Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»


Ary ireo Jodeanina sisa tavela izay tonga hialokaloka tany Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra na mitsoaka, tsy hisy ho tafaverina any Joda izay niriny fatratra hiverenana mba honenana; tsy hisy hiverina any Joda ireo, afa-tsy izay vitsivitsy nieren-doza ihany.› »


Aleo lavitra aza matin-tsabatra toy izay matin’ny mosary sy mitofezaky ny harerahana satria tsy misy vokatry ny saha.


«Ry ilay taranak’olombelona, halaiko tampoka tsy ho eo aminao ilay fifalian’ny masonao. Nefa tsy hitaraina na hitomany na handrotsa-dranomaso akory ianao.


Nitodika azy ireto i Jesoa ka nanao hoe: –Ry vehivavy eto Jerosalema, aoka izay ny fitomaniana Ahy, fa ny tenanareo sy ny zanakareo itomaniana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra