Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia hovaliana hoe: «Satria nandao ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamaniny izy, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sady nivavaka tamin’ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia izao no ho valiny: Noho ny nahafoizany ny faneken’NY TOMPO Andriamaniny sy ny niankohofany tamin’ny andriamanitra hafa sy ny nanompoany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia hovaliana hoe: «Satria nandao ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamaniny izy, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sady nivavaka tamin’ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary hataon’ny olona hoe: Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa sy nanompo ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken’i Jehovah Andriamaniny Sy ny nivavahany tamin’andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia izao no ho valiny: Noho ny nahafoizany ny faneken’NY TOMPO Andriamaniny sy ny niankohofany tamin’ny andriamanitra hafa sy ny nanompoany ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Na dia avobe aza ity tempoly ity fahiny, dia hivarahontsana izay rehetra mandalo eo akaikiny ka hanontany hoe: «Nahoana no dia nataon’ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?»


Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no nirehetan’ny fahatezerako tamin’ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany.


Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady nampanetona sorona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no hitosahan’ny fahatezerako amin’ity tanàna ity ka tsy mbola hitoniany.


Niverina amin’ny fahadisoan’ireo razany taloha izay tsy mety nihaino ny teniko izy, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy. Nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay nataoko tamin’ny razany ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda.


ka hilazanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin’ity fanekempihavanana ity,


Ny havalinao kosa dia hoe: ‹Satria nahafoy Ahy ny razanareo ka nifikitra tamin’ny andriamani-kafa ary nanompo azy sy niankohoka teo anatrehany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Nahafoy Ahy izy ary tsy nitandrina ny lalànako.


Izay fahavalo rehetra nahita azy dia nandripaka azy avokoa sady nanao hoe: «Tsy misy mahadiso antsika izao, satria ireo no meloka eo anatrehan’ny TOMPO izay fonenam-pamonjena sy fanantenan-drazany.»


nikiry tamin’ny ditram-pony hanao ratsy izy, ka nifikitra tamin’i Bahala izay efa nanazaran’ny razany azy.


Nefa hamelako olona vitsivitsy ihany izy, dia ny sisa tavela tsy ringan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana: ireo no hitantara amin’ny firenen-kafa misy azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony, ka hoeken’ny firenen-kafa koa fa Izaho no TOMPO.»


Eny, hampionona anareo ireo olona sisa tavela ireo satria ho takatrareo, rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, fa rariny izay rehetra nataoko namelezana io tanàna io. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


«Ho takatr’ireo firenen-kafa fa matoa nentina ho babo ireo Israelita dia noho ny heloka nivadihany tamiko, hoy ny Tompo. Fa niafenako tava ireo, ka natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony mba ho faty an’ady izy rehetra.


Hampihariko ny didim-pitsarana hamelezana io tanàna io amim-pahatezerana sy amim-pahavinirana ary amim-panakianana mivaivay. Amin’izay ny hafa firenena manodidina azy dia hanao azy ho fandatsa sy ho fihomehezana ary koa ho fampitandremana sy ho fampitahorana. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.


Dia hovalian’ny olona hoe: «Tonga izao satria nafoin’izany vahoaka izany ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO, dia ilay Andriamanitry ny razambeny. Nanao fanekempihavanana taminy tokoa manko ny TOMPO fony nampiala azy tany Ejipta;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra