Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: inona no antony nahatonga ny TOMPO hamely ity tanàna ity tahaka izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity ka samy hiteny amin’ny namany avy hoe: Nahoana NY TOMPO no dia nanao izao tamin’ity tanàna lehibe ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: inona no antony nahatonga ny TOMPO hamely ity tanàna ity tahaka izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Firenena maro no handalo amin’ity tanàna ity, ka hifampilaza hoe: Nahoana no dia nataon’i Iaveh tahaka izao ity tanàna lehibe ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, Ka samy hanao amin’ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin’ity tanàna lehibe ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity ka samy hiteny amin’ny namany avy hoe: Nahoana NY TOMPO no dia nanao izao tamin’ity tanàna lehibe ity?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:8
13 Rohy Ifampitohizana  

«Ary rehefa mampita izany hafatra izany amin’io vahoaka io ianao, ka hanontaniany hoe: ‹Nahoana ny TOMPO no namoaka izany teny mandoza lehibe izany hamelezana anay? Fa inona no heloka na fahadisoana nataonay tamin’ny TOMPO Andriamanitray?›


Teo izy no nalain’ny lehiben’ny mpiambina ka nilazany hoe: «Ny TOMPO Andriamanitrao no nanambara mialoha izao loza manjo ity tanàna ity izao.


Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.


Tsy nanampo na ny mpanjakan’ny tany na ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao fa hiditra ao an-tanànan’i Jerosalema ny fahavalony ama-mpandrafy azy.


Nefa hamelako olona vitsivitsy ihany izy, dia ny sisa tavela tsy ringan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana: ireo no hitantara amin’ny firenen-kafa misy azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony, ka hoeken’ny firenen-kafa koa fa Izaho no TOMPO.»


Eny, hampionona anareo ireo olona sisa tavela ireo satria ho takatrareo, rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, fa rariny izay rehetra nataoko namelezana io tanàna io. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


«Ho takatr’ireo firenen-kafa fa matoa nentina ho babo ireo Israelita dia noho ny heloka nivadihany tamiko, hoy ny Tompo. Fa niafenako tava ireo, ka natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony mba ho faty an’ady izy rehetra.


Hampihariko ny didim-pitsarana hamelezana io tanàna io amim-pahatezerana sy amim-pahavinirana ary amim-panakianana mivaivay. Amin’izay ny hafa firenena manodidina azy dia hanao azy ho fandatsa sy ho fihomehezana ary koa ho fampitandremana sy ho fampitahorana. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.


Anao ny fahamarinana, Tompo ô, ary anay kosa ny fahamenarana tahaka ny amin’izao anio izao, dia anay olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema ary an’ireo Israelita hafa rehetra na ny lavitra na ny akaiky, any amin’ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoana vitany taminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra