Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nehemia 11:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ny sasany tamin’ny taranak’i Joda dia nonina tany amin’ireto tanàna teny anivon-tsaha ireto: i Kiriata-Arbà sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Dibôna sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Kabitseela sy ny tanàna mifanila aminy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ny amin’ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ny taranak’i Joda, no nonina tany Kiriata-Arba sy ny vohitra miankina aminy, tany Dibona sy ny vohitra miankina aminy, tany Jekabzela sy ny vohitra miankina aminy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ny sasany tamin’ny taranak’i Joda dia nonina tany amin’ireto tanàna teny anivon-tsaha ireto: i Kiriata-Arbà sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Dibôna sy ireo tanàna kely miankina aminy, i Kabitseela sy ny tanàna mifanila aminy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ny amin’ny tanàna sy ny tany momba azy dia izao no nonenan’ny zanak’i Jodà: i Kariata-Arbe, mbamin’ny vohitra momba azy, i Dibôna mbamin’ny vohitra momba azy, i Kabseela, mbamin’ny zana-bohiny;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa ny amin’ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ny taranak’i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ny amin’ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin’ny taranak’i Joda, no nonina tany Kiriata-Arba sy ny vohitra miankina aminy, tany Dibona sy ny vohitra miankina aminy, tany Jekabzela sy ny vohitra miankina aminy,

Jereo ny toko dika mitovy




Nehemia 11:25
7 Rohy Ifampitohizana  

dia maty tao Kiriata-Arbà, izany hoe tao Hebrôna, any amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga i Abrahama mba hisaona sy hitomany an’i Sarà.


i Jesoa, i Môladà, i Bety-Peleta,


isan’izany koa i Hesbôna sy ny tanàna rehetra eny amin’io lembalemba io, dia i Dibôna, i Bamôta-Bahala, i Bety-Bahala-Mehôna,


ny tanin’izy telo tonta dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo; dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà ka hatrany Dibôna;


Dia nitsodrano an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè i Josoa ka nanome an’i Hebrôna ho lovany.


Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra