Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Ny olona dia tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! Na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona dia tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! Na: Indrisy ny voninahiny!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary noho izany dia izao no lazain’i Jehovah ny amin’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:18
17 Rohy Ifampitohizana  

Malahelo anao aho, ry Jônatàna rahalahiko; eny, nankamamiko fatratra ianao. Mahatalanjona ahy ny fitiavanao, fa sarobidy noho ny fitiavan’ny vehivavy.


Dia naleviny tao am-pasany ny faty ka nitomanian’ny olona an-kira hoe: «Indrisy, ry rahalahiko!»


Feno 25 taona i Jôiakima fony tonga mpanjaka, ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Zebodà zanakavavin’i Pedaià avy any Romà.


Nalany tao an-tranon’ny TOMPO koa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ka navoakany any ivelan’i Jerosalema mba hodorana ao amin’ny lohasahan’i Kidrôna; ary ny lavenony dia nafafiny teny amin’ny fasam-bahoaka.


Ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôiakima, dia i Jôiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Ny zanakalahin’i Josià dia i Johanàna no lahimatoa, i Jôiakima no faharoa, i Tsedekià no fahatelo, ary i Saloma no fahefatra.


I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.


Feno 25 taona i Jôiakima fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny izy.


Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»


Fa na mpanankarena na mahantra no maty amin’ity tany ity, dia tsy halevina na hitomaniana na hanehoana alahelo amin’ny fitetehan-tena na hiboriana volo.


Fanambaràna ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Joda. Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,


Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.


Ho faty any amin’ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony.»


Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an’ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran’ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: ‹Indrisy, ry mpanjaka tompoko!› Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!»


Koa izao no lazaiko ny amin’i Jôiakima mpanjakan’i Joda: Tsy hanana zanakalahy hanjaka handimby azy eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida i Jôiakima; ary hariana ny fatiny ka hianjadian’ny hafanana amin’ny antoandro sy ny hatsiaka amin’ny alina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra