Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 41:5 - Baiboly Katolika

nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silô ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman’emboka manitra, haterina ao an-tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia nisy valopolo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy miharatra volombava, sady rovitra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tanany, hoentina ao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa nisy olona valopolo lahy avy any Sekema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany sady voatriatra ny fitafiany ary voatetitetika ny tenany. Nitondra koba sy vovo-javamanitra mba hatao fanatitra ao an-tranon’ny TOMPO izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nisy olona valopolo lahy avy any Sekema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany sady voatriatra ny fitafiany ary voatetitetika ny tenany. Nitondra koba sy vovo-javamanitra mba hatao fanatitra ao an-tranon’ny TOMPO izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia nisy valopolo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy miharatra volombava, sady rovitra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tanany, hoentina ao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Jeremia 41:5
28 Rohy Ifampitohizana  

Dia tafaverina avy any Padan-Arama i Jakôba, ka tonga soa aman-tsara tao Sikema, amin’ny tany Kanaana, ary nitoby teo anoloan’ny tanàna.


ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.


Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin’i Josefa.


Dia nosamborin’i Hanòna ny mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany sasaka; ny akanjo nofolonany hatreo amin’ny foto-peny, vao nalefany izy ireo hody.


Nankany Sikema i Rôbôama, fa tonga tany Sikema i Israely rehetra hampanjaka azy.


I Sikema any amin’ny tendrombohitr’i Efraima no naorin’i Jerôbôama, dia nonina tao izy. Niala tao indray izy dia nanorina an’i Fanoela.


Nony nanjaka enin-taona tao Tersà izy, dia novidiny tamin’i Somera talenta volafotsy roa, ny tendrombohitr’i Samaria, ka nanorin-trano teo ambonin’ny tendrombohitra izy, ary nataony hoe Samaria, avy amin’ny anaran’i Somera tompon’ny tendrombohitra, ny anaran’ny tanàna naoriny.


Tamin’ny taona faha-38-n’i Asà mpanjakan’i Jodà no tonga mpanjakan’i Israely kosa i Akaba zanak’i Amrì, ary 22 taona no nanjakan’i Akaba zanak’i Amrì, tao Samaria, tamin’i Israely.


Nodorany ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.


Izay i Hanòna dia nisambotra ireo mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany, ny akanjony nofolònana hatreo am-balahana, vao nalefany nody izy.


Hitsangana Ianao, hamindra fo amin’i Siôna, fa ny andro hamindram-po aminy, ny fotoana voatendry dia efa tonga.


Tsy nankasitrahiny ny fonenany tao Silô, dia ny lay izay nonenany tao amin’ny olombelona.


Miakatra ho any an-tempolin’i Kamaosy sy any Dibôna ny olona, eny amin’ny fitoerana avo mba higogogogo; migogogogo ny amin’i Nebô sy i Medebà, i Moaba. Ny loha mibory avokoa; ny somotra voaharatra daholo.


Amin’ity tany ity, na ny lehibe na ny kely, ho faty avokoa, nefa tsy hisy levenana na fitomaniana ho azy; tsy hisy hiteti-tena na hibory noho ny aminy ny olona.


Nony afak’ampitson’ny andro namonoana an’i Godoliasa, raha mbola tsy nisy olona nahalala izany akory,


Tonga mangadihady loha i Gazà; levona i Askalôna, mbamin’ny lohasaha manodidina azy. Mandra-pahoviana ianao no mbola hiteti-tena ihany?


Fa nibory ny loha rehetra, voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ny tanana rehetra, ary misy lasàka koa ny valahana.


Mandehana mankany amin’ilay nitoerako any Silô, izay namponenako ny Anarako fahiny, ka zahao ny nanaovako azy, noho ny haratsian’i Israely vahoakako.


dia ataoko amin’ity trano ity izay niantsoana ny Anarako, izay ametrahanareo ny fitokianareo, dia ity fitoerana izay efa nomeko anareo sy ny zanakareo, izay nataoko tamin’i Silô;


Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.


Zanak’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo. Aza mitetika ny tenanareo; aza misy faritra haratanareo amin’ny elanela-masonareo, noho ny amin’ny maty.


Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.


Ary ny taolan’i Josefa, izay nentin’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin’ilay saha novidin’i Jakôba, nomeny zato kesitasy, tamin’ny taranak’i Hemora, rain’i Sikema, ary tonga fananan’ny taranak’i Josefa ny taolany.


Ilay sary voasikotra nataon’i Mikasy no natsangan’izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silô.


Niainga i Abimeleka zanak’i Jerobaala, ka nankany Sikema amin’ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin’ireo sy tamin’ny fokon’ny rain-dreniny rehetra:


Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.