1Samoela 1:7 - Baiboly Katolika7 Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Toy izany no fanaon’i Elkana isan-taona, rehefa niakatra ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Hana, ary toy izany koa no nanorisorenan’ny rafiny an’i Hana; koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA7 Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon’ny TOMPO i Hanà; nanao izay hampalahelo azy foana i Peninà, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon’ny TOMPO i Hanà; nanao izay hampalahelo azy foana i Peninà, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Ary izany no fanaon’i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina. Jereo ny toko |