8 Hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ry Anà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?»
8 Fa hoy i Elkana vadiny taminy: Ry Hana, nahoana ianao no mitomany? Nahoana ianao no tsy mety mihinan-kanina? Ary nahoana ianao no malahelo fo? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
8 Dia hoy i Elkanà vadiny taminy: «Hanà ô, nahoana ange ianao no mitomany sy tsy mety mihinan-kanina? Nahoana koa ianao no malahelo toa izao, moa tsy mihoatra noho ny zanaka folo ve ny tenako aminao?»

Ka hoy i Hazaela: «Nahoana no mitomany ny tompoko?» Dia hoy ny navalin’i Elisea: «Satria tsinjoko ny ratsy hataonao amin’ny zanak’i Israely. Hodoranao amin’ny afo ny tanànany mimanda: hovonoinao amin’ny sabatra ny tovolahy ao aminy, hotorotoroinao ny ankizy madinika, ary hotatahanao ny kibon’ny vehivavy bevohoka.»
Ho ao amin’ny ôtelin’Andriamanitra, ho ao amin’ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako, ary hidera Anao amin’ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!
Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka; mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy nihetsi-jaza; fa ny zanak’ilay nariana no maro, noho ny zanak’izay manam-bady, hoy i Iaveh.
Dia hoy izy ireo taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?» Ka hoy izy namaly ireo: «Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?» Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: «Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy.»
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.