Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Samoela 1:9 - Baiboly Katolika

9 Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana i Anà. I Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray, teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsato-kazon’ny tempolin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Ary nipetraka tamin’ny sezany teo anilan’ny tolanam-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO i Ely mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin’ny sezany teo anilan’ny tolam-baravaran’ny tempolin’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 1:9
9 Rohy Ifampitohizana  

dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany: «Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!»


Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.


Mampiteraka ny serfa vavy ny feon’i Iaveh, sady mampihintsan-dravina ny ala be; ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: «Voninahitra!»


Ny mpiteny lainga aringanao; ny mpandatsa-dra ama-mpamitaka, halan’i Iaveh.


dia ho entin’ny tompony eo anatrehan’Andriamanitra izy ka hasainy miolotra ny varavarana na ny tolàm-baravarana, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony hanompo azy mandrakizay izy.


Fo vontom-pahoriana no nivavahan’i Anà tamin’i Iaveh ary nipotrapotraka ny ranomasony;


Dia mbola nandry mandra-paharainan’ny andro i Samoela vao namoha ny varavaran’ny tranon’i Iaveh. Ary natahotra i Samoela ny hilaza ny fahitany tamin’i Helì.


ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty, ary i Samoela nandry teo an-tempolin’i Iaveh izay nisy ny fiaran’Andriamanitra;


Tamin’ny fotoana nahatongavany dia nipetraka tamin’ny seza anankiray teo amoron-dalana i Helì ka niandry, fa nangitakitaka ny fony, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra. Rehefa tafiditra tao an-tanàna ralehilahy hilaza izany vaovao izany dia nihorakoraka ny tanàna rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra