Mijanòna eo an-dalambe, ka mitazàna, ry kala mponina ao Arôera; anontanio ny lehilahy mandositra, sy ny vehivavy mitsoaka, ka ataovy hoe: «Inona no mihatra?»
Mpitsara 11:26 - Baiboly Katolika Indro efa telon-jato taona izao no nonenan’i Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, ary ny tany Arôera sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny tanàna rehetra amoron’i Arnôna, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha nitoetra nandritra ny telonjato taona tany Hesbona mbamin’ireo vohitra miankina aminy sy tany Aroera mbamin’ireo vohitra miankina aminy ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona ny Israely, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany? DIEM PROTESTANTA Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany? Baiboly Protestanta Malagasy Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesbona sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany? Malagasy Bible Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany? La Bible en Malgache Raha nitoetra nandritra ny telonjato taona tany Hesbona mbamin’ireo vohitra miankina aminy sy tany Aroera mbamin’ireo vohitra miankina aminy ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona ny Israely, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany? |
Mijanòna eo an-dalambe, ka mitazàna, ry kala mponina ao Arôera; anontanio ny lehilahy mandositra, sy ny vehivavy mitsoaka, ka ataovy hoe: «Inona no mihatra?»
ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaàna Izy dia nanome ny faritan’ireny ho fananany,
Koa mitsangàna ianareo mandehana mita ny ranon-driaka Arnôna. Indro atolotro eo an-tananao i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, Amôreana, mbamin’ny taniny. Atombohy ny fakàna azy, ka tafiho izy.
Hatrany Harôera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo anatin’ny lohasaha, ka hatrany Galaada, dia tsy nisy tanàna sarotra anihina ka tsy afatsîka, fa natolotr’i Iaveh Andriamanitsika ho antsika daholo.
Hoy i Iaveh tamiko: Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tany Hesebona.
Nataontsika anatema izy, toy ny nanaovantsika an’i Sehôna, mpanjakan’i Hesebona; natao anatema ny tanàna, ny lehilahy, ny vehivavy sy ny zaza;
i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tao Hesebona; ny takatry ny fahefany dia hatrany Arôera, eo amin’ny ranon-driakan’i Arnôna, ary hatreo am-pamatonan’ny lohasaha amin’ny antsasak’i Galaada, ka hatramin’ny ranon-driakana Jaboaka, faritry ny tanin’ny taranak’i Amôna,
ny takatry ny fahefany dia ny tendrombohitra Hermôna, Salekà, Basàna rehetra, hatramin’ny faritry ny tanin’ny Gesorima sy ny Makatianina ary ny antsasak’i Galaada, faritanin’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona.
ny tanàna rehetra an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nanjaka tao Hesebona, hatrany amin’ny faritanin’ny taranak’i Amôna,
ka izao no faritaniny, hatrany Arôera, eo amoron’ny ranon-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo afovoan’ny lohasaha, ny tany lemaka rehetra akaikin’i Medabà,
i Hesebona sy ny tanànany rehetra amin’ny tany lemaka, Dibôna, Bamôta-Baala, Bety-Baala-Maona,
Efa ela no nanomezan’i Iaveh fitsaharana an’i Israely, sy nanafahany azy tamin’ny fahavalony rehetra amin’ny manodidina, ka efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Jôsoe.
Nampahorin’ireo sy notorotoroin’ireo tamin’izany taona izany ny zanak’i Israely; ary nampahoriny valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely rehetra, izay nonina tany andafin’i Jordany amin’ny tanin’ny Amôreana, any Galaada.
Dia voaetry eo ambanin’ny tanan’i Israely i Moaba tamin’izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany.
Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô, ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»
Dia voaetry teo anatrehan’ny zanak’i Israely i Madiàna, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin’ny andron’i Jedeôna.