Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Raha nitoetra nandritra ny telonjato taona tany Hesbona mbamin’ireo vohitra miankina aminy sy tany Aroera mbamin’ireo vohitra miankina aminy ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona ny Israely, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Efa telonjato taona izao no nipetrahan’ny Israelita tao Hesbôna sy Harôhera mbamin’ireo tanàna kely manodidina azy avy ary koa tao amin’ireo tanàna rehetra eny amoron’i Arnôna; koa nahoana no tsy nalainareo io faritany io tamin’izany fotoana rehetra izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Indro efa telon-jato taona izao no nonenan’i Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, ary ny tany Arôera sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny tanàna rehetra amoron’i Arnôna, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesbona sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Raha nitoetra nandritra ny telonjato taona tany Hesbona mbamin’ireo vohitra miankina aminy sy tany Aroera mbamin’ireo vohitra miankina aminy ary tany amin’ny tanàna rehetra eny amoron’i Arnona ny Israely, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’izany andro izany?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:26
21 Rohy Ifampitohizana  

Ry mponina ao Harôhera, mijoroa eny an-dalambe ka miambena. Anontanio ireo nandositra sy izay sisa avotra hoe: «Inona no zavatra niseho?»


ary nandrava firenena fito tany Kanahàna ka nanolotra ny tanin’ireo ho fananan’i Israely vahoakany.


Avy eo dia hoy ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo, miaingà ka mità ny lohasahan-driaka Arnôna. Jereonareo fa hatolotro eo an-tananareo i Sihôna, mpanjaka amôrita ao Hesbôna, mbamin’ny taniny. Santaro ny fakàna izany tany izany, ka tafiho i Sihôna!


Manomboka hatreo Harôhera izay amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy ilay tanàna hafa anatin’io lohasaha io ihany, ka miafara any Gilehada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo ambany fahefàntsika ny tanàna rehetra.


Tamin’izay, dia hoy ny TOMPO tamiko: «Aza matahotra an’i Hôga ianareo, fa efa natolotro eo an-tananareo izy sy ny tafiny manontolo mbamin’ny taniny; ary ny hataonareo amin’i Hôga dia araka izay nataonareo tamin’i Sihôna mpanjaka amôrita, izay nonina tao Hesbôna.»


Noravantsika tanteraka ireny tanàna ireny ary naringantsika ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy isan-tanàna, toy ny nataontsika tamin’ny tanànan’i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna.


Naharitra ela ny ady nataon’i Josoa tamin’ireo mpanjaka rehetra ireo.


Ny voalohany dia i Sihôna, mpanjaka amôrita izay nonina tao Hesbôna: izy no nanjaka tamin’ny antsasaky ny lohasahan-driaka Arnôna hatreo Harôhera no midina, sy tamin’ny antsasaky ny faritany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny renirano Jabôka izay sisintanin’ny Hamônita;


Ny faritra nanjakan’i Hôga dia ireto avy: ny tendrombohitra Hermôna; i Salà, i Basàna manontolo tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita sy Mahekatita; ary farany ny antsasaky ny faritrany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Sihôna, mpanjakan’i Hesbôna.


dia mahazo ireo tanànan’i Sihôna, ilay mpanjaka amôrita nanjaka tao Hesbôna sy nanan-tany tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Hamônita;


Ny faritaniny dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo, dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà;


isan’izany koa i Hesbôna sy ny tanàna rehetra eny amin’io lembalemba io, dia i Dibôna, i Bamôta-Bahala, i Bety-Bahala-Mehôna,


Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.


Nanomboka tamin’izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin’ny faritanin’ny Amôrita teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna.


Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.


Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.


TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.


Resin’ny Israelita hatreo ny Midianita ka tsy nahatraka tamin’ny fahareseny intsony; koa nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona nahaveloman’i Gidehôna.


Nifehy an’i Israely nandritra ny telo taona i Abimelèka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra