Mpitsara 11 - Baiboly KatolikaFitakian’i Jefte alohan’ny hanekeny 1 I Jefte ilay Galaadita, dia lehilahy mpiady mahery. Zanaky ny vehivavy janga anankiray izy; ary i Galaada anefa no ray niteraka an’i Jefte. 2 Niteraka lahy maro tamin’i Galaada anefa ny vadiny; ka nony lehibe ireo dia nandroaka an’i Jefte sy nanao taminy hoe: «Tsy handova eto an-tranon-drainay ianao, satria zana-behivavy hafa». 3 Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jefte, ka nonina tany amin’ny tany Tôba. Ary nisy olom-poana nitambatra taminy, ary niara-nandehandeha izy. 4 Nony afaka kelikely taorian’izany, dia niady tamin’ny zanak’i Israely ny taranak’i Amôna. 5 Ka tamin’izany niadian’ny taranak’i Amôna tamin’i Israely izany, dia lasa ny loholon’i Galaada naka an’i Jefte tany aminy tany Tôba. 6 Hoy izy tamin’i Jefte: «Avia, dia ho jeneralinay ianao, ka hiady amin’ny taranak’i Amôna». 7 Fa hoy i Jefte tamin’ny loholon’i Galaada: «Tsy efa nankahala ahy sy nandroaka ahy hiala tao an-tranon’i kaky va ianareo? Ka ahoana indray no alehanareo atỳ amiko, nony zoim-pahoriana ianareo izao?» 8 Ary hoy ny loholon’i Galaada tamin’i Jefte: «Izany indrindra no hiverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay sy hiadianao amin’ny taranak’i Amôna; ary ho filohanay sy ny mponina rehetra any Galaada ianao.» 9 Izao no navalin’i Jefte tamin’ny loholon’i Galaada: «Raha entinareo miverina hiady amin’ny taranak’i Amôna aho, ka atolotr’i Iaveh eo an-tanako izy, dia izaho no ho filohanareo?» 10 Hoy ny loholon’i Galaada tamin’i Jefte: «Aoka i Iaveh no ho vavolombelona amintsika; fa hotanterahinay tokoa izany voalazanao izany.» 11 Dia nandeha niaraka tamin’ny loholon’i Galaada i Jefte. Natsangan’ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin’i Jefte teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà indray ny teniny rehetra. Dinidinik’i Jefta tamin’ny Amônita 12 Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna i Jefte, hilaza aminy hoe: «Mifampaninona moa izaho sy ianao, no tonga hamely ahy ianao ka hanafika ny taniko?» 13 Ary hoy ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, namaly ny irak’i Jefte: «Satria, raha niakatra avy any Ejipta i Israely, dia nalainy ny taniko, hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka sy Jordany. Koa avereno amim-pihavanana izany ankehitriny.» 14 Dia nandefa iraka indray i Jefte ho any amin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, 15 ka nanao taminy hoe: «Izao no tenin’i Jefte: I Israely tsy naka ny tanin’i Moaba, na ny tanin’i taranak’i Amôna. 16 Fa nony niakatra avy tany Ejipta i Israely, dia nandeha tany an’efitra, hatreo amin’ny Ranomasina Mena, ka tonga tany Kadesy. 17 Nandefa iraka ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma i Israely, tamin’izay, hilaza aminy hoe: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho; nefa tsy nanaiky ny mpanjakan’i Edôma. Dia naniraka tany amin’ny mpanjakan’i Moaba indray izy, fa tsy nanaiky koa io, ka dia tao Kadesy i Israely. 18 Rehefa izany, namaky ny efitra izy, ka nanodidina ny tany Edôma sy ny tany Moaba, dia tonga tany atsinanan’ny tany Moaba. Dia nitoby tany an-dafin’i Arnôna izy ireo fa tsy nandroso tamin’ny faritr’i Moaba, fa i Arnôna no faritr’i Moaba. 19 Tao i Israely, dia nandefa iraka ho any amin’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, mpanjakan’i Hesebona, ary hoy i Israely taminy: Raha sitrakao, avelao mba hamaky ny taninao aho, hankany amin’ny taninay. 20 I Sehôna anefa, tsy ampy fitokiana an’i Israely mba hamela azy hamaky ny taniny. Namory ny vahoakany rehetra i Sehôna, ka nitoby tao Jasà, dia niady tamin’i Israely. 21 Fa natolotr’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho eo an-tanan’i Israely, i Sehôna mbamin’ny vahoakany rehetra, ka noreseny ireny, dia azon’i Israely ny tanin’ny Amôreana rehetra izay nonina tamin’izany faritany izany; 22 lasany avokoa ny faritan’ny Amôreana, hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka, ary hatramin’ny efitra ka hatrany Jordany. 23 Koa ankehitriny, rehefa noroahin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny Amôreana, teo anoloan’i Israely vahoakany, ianao indray ve no handroaka an’i Israely hiala ao? 24 Moa tsy mipetraka ho tompon’izay nomen’i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va ianao? Ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon’izay rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitray anay ho fanananay? 25 Moa tsara noho i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Moaba, va ianao? Ary moa io mba nifanditra tamin’i Israely, na niady taminy akory va? 26 Indro efa telon-jato taona izao no nonenan’i Israely tany Hesebona, sy ny tanàna momba azy, ary ny tany Arôera sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny tanàna rehetra amoron’i Arnôna, ka nahoana no tsy nalainareo ireny nandritra izany fotoana izany? 27 Izaho tsy nanao ratsy taminao, fa ianao izao no manisy ratsy ahy, amin’ny ady ataonao amiko. Ka aoka i Iaveh, ilay mpitsara, no hitsara anio ny zanak’i Israely sy ny taranak’i Amôna». 28 Tsy nahoan’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna akory ny teny nampitondrain’i Jefte tany aminy. Ny voadin’i Jefte sy ny fandreseny 29 Dia tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’i Iaveh, ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna. 30 Nivoady tamin’i Iaveh i Jefte, nanao hoe: 31 «Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna, dia ho an’i Iaveh ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho». 32 Dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna i Jefte, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany ireny, 33 ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voatery teo anoloan’i Israely ny taranak’i Amôna. 34 Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka inty ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa. 35 Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony». 36 Dia hoy izy taminy: «Dada ô, efa niloa-bava tamin’i Iaveh ianao, ka ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian’i Iaveh ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao». 37 Ary hoy izy tamin-drainy: «Ity no mba soa ataovy amiko: Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana: dia handeha hidina ho any an-tendrombohitra, ary hitomany ny fahavirijiniako miaraka amin’ireo namako». 38 Hoy ny navaliny azy: «Ndeha àry». Dia navelany handeha roa volana izy. Ka nandeha niaraka tamin’ny namany, nitomany ny fahavirijiniany tany amin’ny tendrombohitra izy. 39 Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no niavian’izao fanao amin’i Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanaka vavin’i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society