Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 26:1 - Baiboly Katolika

Amin’izany andro izany hohiraina ao amin’ny tanin’i Jodà izao hira izao: «Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’izany andro izany dia hohiraina eto amin’ny tanin’i Joda izao hira izao: Manana tanàna mafy isika; famonjena no napetraky NY TOMPO ho manda sy fiarovana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’izany andro izany, ao amin’ny tanin’i Joda dia hihirana izao hira izao: «Manan-tanàna mafy isika. Manda roa sosona no nataon’ny TOMPO mba ho fiarovana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izany andro izany, ao amin’ny tanin’i Joda dia hihirana izao hira izao: «Manan-tanàna mafy isika. Manda roa sosona no nataon’ny TOMPO mba ho fiarovana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Amin’izany andro izany dia hohiraina eto amin’ny tanin’ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’i Jehovah ho mànda sy fiarovana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’izany andro izany dia hohiraina eto amin’ny tanin’i Joda izao hira izao: Manana tanàna mafy isika; famonjena no napetraky NY TOMPO ho manda sy fiarovana.

Jereo ny toko



Isaia 26:1
34 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.


Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; mpampiery azy ao an-dainao Ianao, mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy.


Aoka hifaly ny tendrombohitra Siôna, aoka hiravoravo ny zanaka vavin’i Jodà, noho ny fitsarànao!


Ao an-dapany, Andriamanitra, niseho ho fiarovana.


Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany: «Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy Ianao.


Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna; Matahora mafy, ry Filistinina manontolo! Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ny laharana, ny antoko-miaramilany.


Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.


Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy;


Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.


Tahaka ny vorona mamelatra elatra hanomba ny zanany, no hiarovan’i Iavehn’ny tafika an’i Jerosalema; hiaro Izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.


Ny vatolampy handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton’i Iaveh - izay manana ny afony ao Siôna, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»


Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.


Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.


«Amin’izany andro izany, ny solofon’i Iaveh ho haingo amam-boninahitra, ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an’ireo sisan’i Israely afaka.


Andeha hihira ho an’ny malalako aho, ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanimboalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin’ny tanety mahavokatra.


dia omeko fahatsiarovana sy anarana, tsaratsara kokoa noho izay zanaka lahy sy zanaka vavy ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy; anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.


Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony izay hoe fampahoriana; na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin’ny faritaninao; ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena, ary ny vavahadinao: i Fiderana.


Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo, areno ny lalan’ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.


Izao no nambaran’i Iaveh, hatrany amin’ny faran’ny tany: «Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.


dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.


Nisy manda ivelany nanodidina ny trano, tamin’ny lafiny rehetra; ary nisy volotara fandrefesana enina hakiho teny an-tanan-dralehilahy; nihoatra vodivoam-pelatanana avy ny iray hakiho. Norefesiny ny hatevin’io rafitra io, ka eran’ny volotara; ary ny haavony, ka eran’ny volotara.


Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.


Ary Izaho, - teny marin’i Iaveh, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany.› »


Tamin’izay no nihira izao tononkira izao i Israely:


Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.