Ny vahoaka manetry tena vonjenao, fa ny mpiavonavona kosa aetrinao amin’ny fanandrinanao.
Isaia 2:12 - Baiboly Katolika Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny, DIEM PROTESTANTA Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo: Baiboly Protestanta Malagasy Fa misy andron’i Jehovah, Tompon’ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,– Malagasy Bible Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny, La Bible en Malgache Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny, |
Ny vahoaka manetry tena vonjenao, fa ny mpiavonavona kosa aetrinao amin’ny fanandrinanao.
Nahoana no tsy misy fotoana natokan’ny Tsitoha, ary ireo manompo Azy tsy mba mahita ny androny?
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko, tsy mba niandranàndrana ny fijeriko, tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho, na izay avo mihoatra noho izaho.
Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
Indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika, mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka; ny avo indrindra, voakapa; ny lasa ambony indrindra voazera amin’ny tany.
Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.
Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
Indro tonga ny andron’i Iaveh, andro fahalozàna, fahavinirana sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.
Kanjo indro ianao latsaka atỳ amin’ny Seoly, atỳ amin’ny hantsana lalina tsy hita noanoa!
I Iavehn’ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.
Amin’izany andro izany i Iaveh hisava any ambony ny tafika any ambony, ary etỳ an-tany ny mpanjakan’ny tany.
Ny tany misaona sy majifa; izao tontolo izao, milofika sy majifa; ny nalaza indrindra amin’ny mponina eto an-tany milofika.
Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.
Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana; hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy; hampanjariako nosy ny ony, ary homainiko ny farihy.
hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh, sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.
Papango sadasada va ity lovako, ka ifandafaran’ny papango avy hatraiza hatraiza? Avia ianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha, ka ento ireny hihinana!
Izao no lazain’i Iaveh: «Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.
Loza! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy toa azy! Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany, kanefa hoafahana amin’izany izy.
Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity, andro famaliana, hamaliany ny fahavalony! Mihinana ny sabatra ka mivoky, etsaky ny ran’ireny izy; fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao, any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.
Indro Aho manandrina anao, ry ilay mpirehareha! - tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, - fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamangiako anao.
Tsy niakatra ho eo amin’ny banga ianareo, na nanangana manda manodidina ny taranak’i Israely, mba hifaharany amin’ny ady, amin’ny andron’i Iaveh.
Loza ho an’izay maniry ny andron’i Iaveh! ho inona ho anareo moa, ny andron’i Iaveh? Ho haizina izy, fa tsy ho fahazavana.
Ka izao no lazain’i Iaveh: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo: ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.
andron’ny trômpetra sy ny fanairana, eo ambonin’ny tanàna mimanda, mbamin’ny nongonongona avo amin’ny manda.
Amin’izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.