Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 46:10 - Baiboly Katolika

10 Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity, andro famaliana, hamaliany ny fahavalony! Mihinana ny sabatra ka mivoky, etsaky ny ran’ireny izy; fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao, any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa izao andro izao dia an’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; dia hihinana ny sabatra ka ho voky ary ho mamon’ny ran’ireo; fa ny Tompo, dia NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ny tany avaratra eo amoron’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa izao andro izao dia an’i Jehovah, Tompon’ny maro, Ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky Sy ho mamon’ny ran’ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra Any amin’ny tany avaratra ao amoron’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Fa izao andro izao dia an’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; dia hihinana ny sabatra ka ho voky ary ho mamon’ny ran’ireo; fa ny Tompo, dia NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ny tany avaratra eo amoron’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 46:10
25 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nivoaka avy tany amin’ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, fa lasan’ny mpanjakan’i Babilôna avokoa izay an’ny mpanjakan’i Ejipta, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, ka hatramin’ny ony Eofrata.


Nahoana no tsy misy fotoana natokan’ny Tsitoha, ary ireo manompo Azy tsy mba mahita ny androny?


Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.


Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:


Ary i Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr’olombelona; sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy; handositra eo anoloan’ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.


hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh, sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.


Satria andro famaliana no tato am-poko; ary efa tonga ny taom-panavotana.


Ny havoana rehetra any an’efitra dia ahatongavan’ny mpandrava avokoa, fa i Iaveh manan-tsabatra mandevona amin’ny tany rehetra hatraiza hatraiza; tsy misy famonjena ho an’ny nofo rehetra na iza na iza.


Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdôla, ampandreneso any Nôfa sy any Tafnesa; ka lazao hoe: Milahara ianareo, ka miomàna; fa efa mandripaka sahady eny amin’ny manodidina anareo ny sabatra!


Ny amin’i Ejipta. Teny mamely ny tafik’i Nekô Faraôna mpanjakan’i Ejipta, teo amoron’ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin’i Nabokodonozora. mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà.


Ny faingan-tongotra, aza afa-mandositra! ny lehilahy mahery fo, aza afa-mitsoaka! Any amin’ny tany avaratra, amoron’ny ony Eofrata, indro izy mivembena dia lavo.


Manaova akoran’ady amin’ny manodidina azy, hatraiza hatraiza; manandra-tanana izy, mirodana ny tilikambony, mikoa ny mandany. Fa famalian’i Iaveh izao: ampitondray valim-bonoana izy: toraky ny nataony no ataovy aminy!


Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hamangy ny mpanjakan’i Babela sy ny taniny, toy ny efa namangiako ny mpanjakan’i Asiria.


Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo, ary samia mamonjy ny ainy! Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo fa andro famalian’i Iaveh izao; ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.


Faminaniana lainga ihany izany, eo imason’izy ireo; manana ny faminaniana masina indrindra hiaro azy izy ireo; nefa hampahatsiaroviny azy ny helony taloha, rehefa voasambotra izy.


ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity! Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh! Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!»


Tsofy ao Siôna ny anjomara; ary ampanenoy ao an-tendrombohitra masina ny trômpetra. Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany, fa tonga ny andron’i Iaveh, fa efa antomotra!


Ny kalesy nisy ireo soavaly mainty no nivoaka ho amin’ny tany avaratra; ireto fotsy no nivoaka nanaraka ireo, ary ireto sada no nivoaka ho amin’ny tany atsimo.»


satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.


Homamoiko ra ny zana-tsipìkako, ary hihinana mofo ny sabatro; dia ny ran’ny voavono sy ny babo, ary ny loha lava volon’ny fahavalo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra