Isaia 38 - Baiboly KatolikaAretin’i Ezekiasa sy fahasitranany (Jereo 2Mpa 20,1-11 ) 1 Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.» 2 Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh; hoy izy: 3 «Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao.» Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa. 4 Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: 5 «Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao. 6 Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; ary hiaro ity tanàna ity. 7 Ary izao no famantarana omen’i Iaveh ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin’i Iaveh izany teny nolazainy izany: 8 Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy, eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.› » Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro. Tononkiran’i Ezekiasa (Jereo Sal 116 ) 9 Zavatra nosoratan’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, fony izy narary ka sitrana tamin’ny aretiny: 10 Hoy aho: «Dia amin’izao andro mbola iadanako izao aho no midina ho any amin’ny vavahadin’ny seoly; ka hanesorana amiko ny taonako sisa!» 11 Hoy aho: «Tsy mba hahita an’i Iaveh intsony aho, tsy hahita an’i Iaveh, eo amin’ny tanin’ny velona; tsy mba hahita ny olombelona intsony aho eo amin’ny mponina any amin’ny fonenana mangina!» 12 Ny fonenako nesorina, nentina lavitra ahy, tahaka ny lain’ny mpiandry ondry. tahaka ny mpanenona aho manao ny tenon’ny fiainako, fa tapahiny hiala amin’ny fanenomana aho! Hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina dia hotaperinao ny aiko. 13 Tsy niteny tsy nivolana aho, mandra-pahamarain’ny andro. Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy; hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina dia hotaperinao ny aiko! 14 Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromahailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony: 15 Iaveh ô, anaovana an-tery setra aho, anie Ianao no hiantoka ahy. Inona no holazaiko? Nilaza tamiko izy, nahavita izy. Handeha amim-panetren-tena aho, amin’ny taona iainako rehetra, mahatsiaro ny hangidin’ny aiko. 16 Tompo ô, izany no fiainana, ao amin’izany rehetra izany ny fiainan’ny fanahiko. Mahasitrana ahy Ianao, mampody ny aina amiko; 17 koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra. 18 Satria tsy mankalaza anao ny Seoly, ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana Anao; ireo midina any an-davaka, tsy manantena ny fahamarinanao intsony. 19 Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao. 20 I Iaveh efa nalaky namonjy ahy; isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin’ny lokangako amin’ny andro rehetra iainantsika, ao an-tranon’i Iaveh. 21 Hoy i Izaia: «Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.» Ary hoy i Ezekiasa: «Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin’ny tranon’i Iaveh aho?» |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society