Obadia 1:3 - Baiboly Katolika Ny avonavon’ny fonao nahavery saina anao! Izy izay mitoetra eny an-tsefatsefa-bato, ka ny havoana no fonenany, dia manao anankampo hoe: Zovy moa no hampidina ahy eny amin’ny tany? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny avonavon’ny fonao no namitaka anao, ry ilay monina eny an-tsefatsefaky ny harambato, any amin’ny fonenana avo, sady miteny anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany? DIEM PROTESTANTA Ny avonavon’ny fonao no nahavery saina anao! Mitoetra eny an-tsefatsefaky ny harambato ianao, faritra avobe no misy ny fonenanao, ka hoy ianao anakampo hoe: «Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany ambany?» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny avonavon’ny fonao no nahavery saina anao! Mitoetra eny an-tsefatsefaky ny harambato ianao, faritra avobe no misy ny fonenanao, ka hoy ianao anakampo hoe: «Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany ambany?» Baiboly Protestanta Malagasy Ny avonavon’ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin’ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany? Malagasy Bible Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany? La Bible en Malgache Ny avonavon’ny fonao no namitaka anao, ry ilay monina eny an-tsefatsefaky ny harambato, any amin’ny fonenana avo, sady miteny anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany? |
Nandresy Edômita iray alina tao amin’ny Lohasahan-tSira izy, nananika nahafaka an’i Selà dia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak’androany.
Feno herim-po i Amasiasa ka nitarika ny vahoakany dia nankany amin’ny Lohasahan-tSira, ary nandresy 10.000 tamin’ny taranak’i Seira.
Nahazo sambo-belona 10.000 ny taranak’i Jodà, ka nentiny nankany an-tampon’ny vatolampy anankiray, navariny teo, dia montsamontsana avokoa.
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Misandratra ny fon’ny olona alohan’ny faharavàny, fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.
Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha, ry vatolampin’ny tany lemaka, - teny marin’i Iaveh, - ianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina atỳ aminay, sy hiditra atỳ amin’ny fierenay?
Izao no lazain’i Iaveh: Aza mamita-tena foana ianareo, ka manao hoe: «Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeanina»;
Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny, ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana.
Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona sy ny hambom-ponao, ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato, sady mitoetra eny an-tampon-kavoana. Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy any ianao, - teny marin’i Iaveh.-
Ahoana ny ireharehanao amin’izay lohasahanao, - mahavokatra be hoe ny lohasahanao, - ry zanaka vavy mpiodina, izay mitoky amin’ny harenao, manao hoe: «Zovy moa no sahy handroso hamely Ahy?»
Tamin’ny fampitomboana ny varotrao, dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao; nanota ianao ka nariako hiala teo amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, ary nataoko levona ianao, ry Kerobima mpiaro, teo afovoan’ny vato mirehitra.
Raha lazain’i Edôma ataony hoe: ‹Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray,› - dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Izy ireo hanorina; Izaho kosa handrava›; ka izao no ho filazan’ny olona azy: ‹Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran’i Iaveh mandrakizay.›