Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 25:12 - Baiboly Katolika

12 Nahazo sambo-belona 10.000 ny taranak’i Jodà, ka nentiny nankany an-tampon’ny vatolampy anankiray, navariny teo, dia montsamontsana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nahazo sambo-belona iray alina koa ny taranak’i Joda, dia noentiny teo an-tampon’ny harambato ary navariny teo ka montsamontsana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ary ny antokony folo sisa kosa dia nataon’ny Jodeanina sambo-belona, dia nentiny teo antampon’ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary ny antokony folo sisa kosa dia nataon’ny Jodeanina sambo-belona, dia nentiny teo antampon’ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ny iray alina sisa nataon’ny taranak’i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon’ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Nahazo sambo-belona iray alina koa ny taranak’i Joda, dia noentiny teo an-tampon’ny harambato ary navariny teo ka montsamontsana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 25:12
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany ka napetrany hiasa amin’ny tsofa, sy ny pika vy, mbamin’ny famaky vy, ary nafindrany tamin’ny fanefem-biriky. Nataony toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.


Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin’ny tsofa aman-dapìka vy sy famaky. Sady nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida mbamin’ny vahoakany rehetra.


Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.


Feno herim-po i Amasiasa ka nitarika ny vahoakany dia nankany amin’ny Lohasahan-tSira, ary nandresy 10.000 tamin’ny taranak’i Seira.


Tamin’izay kosa ireo miaramila nalefan’i Amasiasa tsy hiara-manafika aminy, dia niantoraka tamin’ireo tanànan’i Jodà, hatrany Samaria ka hatrany Betôrôna, ka nahafaty olona 3.000 ary namabo zavatra betsaka.


Nirehitra tamin’i Amasiasa ny fahatezeran’i Iaveh, ka naniraka mpaminany tao aminy izy, nilaza taminy hoe: «Ahoana no dia ivavahanao amin’ny andriamanitr’io vahoaka io, nefa ny vahoakany aza tsy azony narovana tamin’ny tananao akory?»


Nefa tsy ho ela dia havarina, manaraka ny vatolampy, ny lehiben’ireny; ary handre ny teniko ny olona, fa mahafinaritra izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra