Jeremia 48:28 - Baiboly Katolika28 Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny, ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201128 Ry mponina any Moaba! Ilaozy ny tanàna ka mitoera any amin’ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ ampitan’ny hantsana ianao. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA28 Ilaozy ny tanànanareo, ry mponin’i Môaba, ka mitoera eny amin’ny harambato. Aoka ianareo hanahaka ny voromahailala izay manao akany eny am-pitan’ny hantsana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara28 Ilaozy ny tanànanareo, ry mponin’i Môaba, ka mitoera eny amin’ny harambato. Aoka ianareo hanahaka ny voromahailala izay manao akany eny am-pitan’ny hantsana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy28 Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ny harambato, Ary aoka ho tahaka ny voromailala Izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ny hantsana hianao. Jereo ny tokoMalagasy Bible28 Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin'ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan'ny hantsana ianao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache28 Ry mponina any Moaba! Ilaozy ny tanàna ka mitoera any amin’ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ ampitan’ny hantsana ianao. Jereo ny toko |