Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
Malakia 3:16 - Baiboly Katolika Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra, dia samy miresaka tamin’ny namany avy. Ary i Iaveh kosa nihaino, ka nahare Izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Iaveh sy manaja ny Anarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany, izay natahotra NY TOMPO dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary NY TOMPO nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra NY TOMPO sy mihevitra ny anarany. DIEM PROTESTANTA Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany. Malagasy Bible Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany. La Bible en Malgache Tamin’izany, izay natahotra NY TOMPO dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary NY TOMPO nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra NY TOMPO sy mihevitra ny anarany. |
Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
Nony efa niorina tsara tao an-tranony ny mpanjaka sady nomen’i Iaveh fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
Ary rehefa handao anao aho izao, dia hoentin’ny Fanahin’i Iaveh ianao any amin’izay tsy fantatro, dia izaho hampandre an’i Akaba, nefa ianao tsy ho hitany, ka hovonoiny ho faty aho. Hatry ny fony kely anefa ny mpanomponao no efa natahotra an’i Iaveh.
ka nampiantso an’i Abdiasa lehiben’ny tranony i Akaba. Ary i Abdiasa kosa dia natahotra an’i Iaveh,
Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.
Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe: ‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».
Hoy ny ratsy fanahy, amin’ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy! Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.
Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho.
Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; manan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
He izany heloka mitambesatra aminy, ka aiza no hahafahany indray? Aringano amin’ny fahatezeranao ireo vahoaka ireo, ry Andriamanitra.
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?
Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, izay nataony ho an’ny fanahiko
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.»
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.»
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
Indro fa voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina aho mandra-pamaliko, mandra-pamaliko ao an-tratran’ireny,
Reko ny fitarainan’i Efraima hoe: «Nofaizanao aho, ka voafay, toy ny vantotr’ombalahy tsy voafolaka; avereno aho, dia hiverina, satria ianao no Iaveh Andriamanitro;
«Nitandrina tsara Aho ary nihaino: Tsy miteny araka ny mety izy ireo; tsy misy manenina amin’ny haratsiany, na manao hoe: Inona re ity nataoko e? Fa dia samy rafitra mihazakazaka indray avokoa, hoatra ny soavaly miezaka ho amin’ny ady!
ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»
Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tomà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba.
Olona tia vavaka sy natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra, ary nanao fiantrana be tamin’ny olona sy nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva.
Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.
Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo.
Mangataka aminareo koa izahay, ry kristianina havana: anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin’ny olon-drehetra.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.
Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»
ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.