dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe: ‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›
Jona 2:6 - Baiboly Katolika Ny rano nanery ahy hatramin’ny aiko; ny hantsana be nanodidina ahy; ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano, nanemitra ahy manodidina ny lalina; nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina. DIEM PROTESTANTA Efa mby hatendako ny rano; nanafotra ahy ny ranomasina, ary ny ahidrano nisaringotra amin’ny lohako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa mby hatendako ny rano; nanafotra ahy ny ranomasina, ary ny ahidrano nisaringotra amin’ny lohako. Baiboly Protestanta Malagasy Ny rano nanarona ahy hatramin’ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. Malagasy Bible Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. La Bible en Malgache Nanarona ahy hatramin’ny aiko ny rano, nanemitra ahy manodidina ny lalina; nisaringotra manodidina ny lohako ny zavamaniry any an-dranomasina. |
dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe: ‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›
Notsimbininy tsy hidina any an-davaka ny fanahiko; ary mivelatra eo amin’ny hazavana ny aiko›.
Dia nitranga ny tendrombohitra, nilempona ny lohasaha, teo amin’ny toerana voatendrinao ho azy avy.
Efa nihodidina tamiko ny fatoran’ny fahafatesana, efa nahazo ahy ny tebitebin’ny Seoly; efa nianjady tamiko ny fanahiana amam-pahoriana,
Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh, fa reraka eo ihany ny fanahiko; aza manafina ny Tavanao amiko, fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.
Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.
Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao, ry Andriamanitry ny famonjena anay, tokin’ny vazantany efatra, sy ny ranomasina lavitra any.
Hoy aho: «Dia amin’izao andro mbola iadanako izao aho no midina ho any amin’ny vavahadin’ny seoly; ka hanesorana amiko ny taonako sisa!»
koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
dia hampidiniko hiaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, ianao, ho any amin’ireo vahoaka fahagola; ka hamponeniko any ambanin’ny tany, any amin’ny fanginginana mandrakizay, miaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony ianao; ary hanisy ravaka amin’ny tanin’ny velona Aho.
mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.
Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.
Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany taloha no narahiny.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Fa nirehitra ny afon’ny fahatezerako, ka mandoro ny fonenan’ny maty hatrany amin’ny faran’ny ambany, mandevona ny tany amam-bokatra eo aminy, mandrehitra ny tendrombohitra hatramin’ny fotony.