Aza manao hoe: ‹Nahita ny fahendrena izahay, Andriamanitra no mamely azy, fa tsy olombelona›.
Jeremia 9:23 - Baiboly Katolika Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; Fa izany no sitrako, hoy Jehovah. Malagasy Bible Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny ananany fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho TOMPO izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy NY TOMPO. |
Aza manao hoe: ‹Nahita ny fahendrena izahay, Andriamanitra no mamely azy, fa tsy olombelona›.
Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.
Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
Ary iza moa no mahalala, na ho hendry na ho adala izy? Kanefa izy no ho tompon’ny asako rehetra, izay nametrahako ny fahamarinako amam-pahendreko tatỳ ambany masoandro. Zava-poana koa izany.
Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra; na ny ady an’ny mahery fo na ny hanina an’ny hendry na ny harena an’ny mahalala na ny tombon-tsoa an’ny mahay fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.
Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin’izay, noho ny amin’i Etiôpia, nataony hiankinana, sy noho ny amin’i Ejipta, nataony rehareha.
Fa nitoky tamin’ny hafetsenao ratsy ianao, nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy!» Ny fahendrena amam-pahaizanao, dia izany no nanodòka anao raha ianao nanao anakampo hoe: «Izaho ity, dia izaho irery ihany!»
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.
Ahoana ny ireharehanao amin’izay lohasahanao, - mahavokatra be hoe ny lohasahanao, - ry zanaka vavy mpiodina, izay mitoky amin’ny harenao, manao hoe: «Zovy moa no sahy handroso hamely Ahy?»
ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho. Noho i Faraôna nanao hoe: «Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy»,
Hariana eny an-dalambe ny volafotsiny, hataony hoatra ny zezika ny volamenany; tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany, amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh; tsy hamoky ny fanahiny amin’izany, izy, na hameno ny kibony amin’izany akory, fa izany indrindra no nahalavo azy tamin’ny faharatsiana.
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany.
Nony gaga tamin’izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: «Sarotra, anaka, ny hidiran’ny miankina amin’ny harena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
fandrao ianao hanao anakampo hoe: Ny heriko aman-tanjaky ny tanako no nahavoriako izao harena izao.
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
Eny, mbola ataoko faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra,
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Nijery ilay Filistinina ka nahita an’i Davida, ary naneso azy, fa tanora kely, mena volo ary tsara tarehy.