Faly tamin’ireo iraka i Ezekiasa, ka naneho tamin’ireo ny trano rehetra fitahirizan-java-tsoany, dia ny volafotsy sy ny volamena, ny zava-manitra sy menaka sarobidy, ary ny trano fitahirizam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketana: tsy nisy tsy nasehon’i Ezekiasa tamin’izy ireo, na ny tao an-tranony, na ny tamin’ny taniny.
Ary hoy ny mpaminany: «Inona avy no hitany tao an-tranonao?» Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Hitany avokoa izay tato an-tranoko rehetra, tsy misy tsy nasehoko azy ny tao amin’ny firaketako.»
Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy; nihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany. Ho fatin’ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina amam-bibin’ny tany.»
Ka amin’izany andro izany, hisy izay novonoin’i Iaveh, hatramin’ny faran’ny tany iray, ka hatramin’ny farany iray koa; tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny, fa ho toy ny zezika eo ambonin’ny tany.
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hanisy vato fanafintohinana amin’ity vahoaka ity, ka samy ho tafintohina eo ny ray sy ny zanany; hiara-maty eo ny mponina sy ny manakaiky azy.»
Fa hahahy eo anatrehan’ny masoandro amam-bolana, mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra, izay efa tiany, notompoiny, narahiny, nilany hevitra ary niankohofany teo anatrehany; ka tsy hangonina na halevina ireo taolana ireo, fa hanjary zezika eo ambonin’ny tany. Ary ny ho faty fa tsy ho velona, no ho aleon’
Halatsako am-pahoriana ny olona, ka hiraparapa toy ny jamba, satria nanota tamin’i Iaveh izy. Hiraraka toy ny vovoka ny rany, ary toy ny zezika ny nofony.