34 Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
34 Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»
34 Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»
34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.
Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
Hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, mba tsy hihatahako aminy tsy manao soa aminy intsony, ary halatsako ao am-pony ny fahatahorany Ahy, mba tsy hihatahany Amiko.
Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. -
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Izay avelanareo heloka dia avelako koa; fa raha ny amiko, izay heloka navelako, raha mba nisy navelako, dia noho ny aminareo, sy teo imason’i Kristy no namelako azy,
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.
Ny amin’ny fifankatiavan’ny mpiray tam-po amin’ny finoana, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia,
Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina.
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.