Marka 10 - Baiboly KatolikaFanontaniana momba ny fisaoram-bady (Jereo Mt 19,1-9 ) 1 Nony niala teo izy dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, andafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony. 2 Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy?». 3 Ary izao no navaliny azy ireo: «Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?» 4 Dia hoy Izy: «Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.» 5 Fa hoy kosa i Jesoa: «Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. 6 Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; 7 noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, 8 ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. 9 Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.» 10 Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany, 11 ka hoy Izy taminy: «Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; 12 ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.» I Jesoa sy ireo zazakely (Jereo Mt 19,13-15 ; Lk 18,15-17 ) 13 Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; 14 ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra. 15 Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.» 16 Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano. Ilay lehilahy mpanan-karena (Jereo Mt 19,16-22 ; Lk 18,18-23 ) 17 Nony nivoaka handeha Izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?» 18 Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao.» 20 Dia hoy ny navaliny Azy: «Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.» 21 Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.» 22 Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo. Ny loza vokatry ny harena (Jereo Mt 19,23-26 ; Lk 18,24-27 ) 23 Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!» 24 Nony gaga tamin’izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: «Sarotra, anaka, ny hidiran’ny miankina amin’ny harena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. 25 Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vody fanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.» 26 Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza àry no mety ho voavonjy?» 27 Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: «Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.» Valisoan’izay mahafoy (Jereo Mt 19,27-30 ; Lk 18,28-30 ) 28 Ary hoy i Piera taminy: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.» 29 Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, 30 ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy. 31 Fa maro amin’izay farany no ho voalohany, ary amin’izay voalohany no ho farany.» Fanintelony nanambaràn’i Jesoa ny hijaliany (Jereo Mt 20,17-19 ; Lk 18,31-33 ) 32 Ary nony mby teny an-dalana ho any Jerosalema izy ireo, dia i Jesoa no lohalalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: 33 «Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny Jentily; 34 dia ho esoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.» Fangatahan’ireo zanak’i Zebede (Jereo Mt 20,20-23 ) 35 Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao.» 36 «Inona, hoy Izy, no tianareo hataoko aminareo?» 37 Dia hoy ireo: «Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray mba ho eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.» 38 Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?» 39 «Zakanay» hoy ireo taminy. Fa hoy kosa i Jesoa: «Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; 40 fa raha ny hipetraka ao ankavanako na ao ankaviako kosa dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.» Ny mpifehy tokony hanompo (Jereo Mt 20,24-28 ; Lk 22,24-27 ) 41 Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; 42 fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: «Fantatreo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana. 43 Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo, 44 ary izay te ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra. 45 Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.» Ilay jamba avy ao Jerikô (Jereo Mt 20,29-34 ; Lk 18,35-43 ) 46 Dia tonga tao Jerikô izy ireo. Ary tamin’Izy sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikô, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time. 47 Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso Izy nanao hoe: «Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.» 48 Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko.» 49 Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: «Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.» 50 Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. 51 «Inona, hoy i Jesoa taminy, no tianao hataoko aminao?» Dia hoy ilay jamba: «Rabòny ô, aoka mba hahiratra aho.» 52 «Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao.» Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society