Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 10:43 - Baiboly Katolika

43 Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Fa tsy mba toy izany aminareo. Fa na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanompo anareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

43 Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa izay te ho lehibe eo aminareo dia ho mpiasanareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa izay te ho lehibe eo aminareo dia ho mpiasanareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

43 Fa tsy mba toy izany aminareo. Fa na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanompo anareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:43
15 Rohy Ifampitohizana  

fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: «Fantatreo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana.


ary izay te ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra.


Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:


Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»


Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina, tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»


fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay mandidy no ho toy ny mpanompo.


dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.»


I Jesoa namaly hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fanjakako.»


Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.


Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra