Nandresy Edômita iray alina tao amin’ny Lohasahan-tSira izy, nananika nahafaka an’i Selà dia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak’androany.
Jeremia 49:16 - Baiboly Katolika Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona sy ny hambom-ponao, ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato, sady mitoetra eny an-tampon-kavoana. Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy any ianao, - teny marin’i Iaveh.- Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao; fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an’ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny.» Izany no teny hentitry ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an’ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny.» Izany no teny hentitry ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana, Ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao, Dia havariko avy eny hianao, hoy Jehovah. Malagasy Bible Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. La Bible en Malgache ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao; fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO. |
Nandresy Edômita iray alina tao amin’ny Lohasahan-tSira izy, nananika nahafaka an’i Selà dia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak’androany.
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela; ka araka izay fidiny dia hohanin’ny olona ny voany.
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao».
Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»
izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.
Izao no lazain’i Iaveh: Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.
Antsoy hamely an’i Babela ny mpandefa tsipìka, mbamin’izay rehetra mpanenjana tsipìka, mitobia manodidina azy ianareo; aza misy afa-mandositra! Valio araka ny asany izy. Toraky ny nataony rehetra no mba ataony aminy kosa, fa nitsangana hanohitra an’i Iaveh, hanohitra an’ilay Masin’i Israely.
Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin’i Iaveh. -
Raha mitsofoka ho any amin’ny Seoly izy ireo hotsoahan’ny tanako avy any; raha miakatra any an-danitra, hampidiniko avy any.
Loza ho an’izay manangon-karena tsy an-drariny ho an’ny taranany, hanaovany amin’ny avo dia avo ny akaniny, mba handosirany tsy ho tratry ny loza!