rehefa mahita anao ny Ejiptianina dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
Genesisy 34:30 - Baiboly Katolika Fa hoy kosa i Jakôba tamin’i Simeôna sy i Levỳ: «Nampanahirana ahy ianareo, fa nomaimboinareo amin’ny tany ama-monina aho, dia amin’ny Kananeanina sy amin’ny Ferezeanina. Izaho dia olom-bitsy ka hikambana izy hamely ahy, ka hovonoiny aho, dia ho fongotra aho sy ny ankohonako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy i Levy: Nahatonga loza amiko ianareo, fa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita. Olom-bitsy anefa aho, koa hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; ary ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jakôba tamin’i Simehôna sy i Levỳ: –Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin’ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jakôba tamin’i Simehôna sy i Levỳ: –Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin’ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jakoba tamin’i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko hianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. Malagasy Bible Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. La Bible en Malgache Dia hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy i Levy: Nahatonga loza amiko ianareo, fa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita. Olom-bitsy anefa aho, koa hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; ary ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. |
rehefa mahita anao ny Ejiptianina dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Dia namaky ny tany i Abrama, hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin’ny terebintan’i Môre.
Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta. Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tamin’izay.
ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.
Nofaohiny daholo ny fananany, ny zanany, ny vadiny, mbamin’izay rehetra hitany tao an-trano.
Ny isan’izy rehetra niaraka tamin’i Jakôba nankany Ejipta, afa-tsy ny vadin-janany lahy, fa ny naloaky ny kibony ihany, dia enina amby enimpolo.
Ny zanak’i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ary ny tontalin’ny ankohonan’i Jakôba rehetra tonga tany Ejipta dia fitopolo.
Fantatry ny taranak’i Amôna, fa hankahalan’i Davida azy ny nataony ka ny taranak’i Amôna dia naniraka olona haka miaramila hokaramaina avy amin’ny Sirianina any Beta-Rohoba sy amin’ny Sirianina any Sobà, dia miaramila an-tongotra 20.000, ary any amin’ny mpanjakan’i Maakà koa 2.000 lahy, ary any olona ao Tôba 12.000 lahy.
Dia hoy i Akitôfela tamin’i Absalôma: «Mandehana amin’ny vaditsindrano navelan-drainao hiandry trano, dia ho hitan’i Israely rehetra amin’izany fa manao izay hahatafintohina an-drainao aminao ianao, ka dia hihamahery ny tanan’izay rehetra momba anao.»
Nandritra ny andro rehetra niainan’i Salômôna izy, dia nitsangan-ko fahavalon’i Israely, nanampy ny ratsy nafitsok’i Adada, ary nankahala an’i Israely. Nanjaka tamin’i Siria izy.
Namaly i Elia nanao hoe: «Tsy izaho no mpanakorontana an’i Israely, fa ianao indrindra sy ny fianakavian-drainao, amin’ny nandaozanareo ny didin’i Iaveh sy nandehananareo manaraka an’i Baala.
Fantatry ny taranak’i Amôna, fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’i Davida izy, dia nandefa talenta volafotsy arivo i Hanòna sy ny taranak’i Amôna hanakaramany kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly tany amin’ny Sirianina, any Mesôpôtamia, sy tany amin’ny Sirianina any Maakà sy any Sobà.
Zanak’i Karmì: i Akara izay nanahirana an’i Israely, tamin’ny fahadisoany momba ny zavatra natao anatema.
ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»
Ny olona antra namana, manao soa amin’ny fanahiny; fa ny olona loza be, mampahory ny nofony.
Izay manakorontana ny tranony, handova rivotra, ary izay adala, ho tonga mpanompon’ny olon-kendry.
Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
sarim-biby miaina etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manidina eny amin’ny habakabaka,
Haelin’i Iaveh any amin’ny firenena ianareo, ka ho olom-bitsy any afovoan’ny firenena hitondran’i Iaveh anareo.
«Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa, no niraiketan’i Iaveh taminareo sy nifidianany anareo; vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo;
Dia hoy i Jôsoe: «Nahoana no dia nampikorontana anay ianao? Mba hokorontanin’i Iaveh koa ianao.» Dia nitora-bato azy i Israely rehetra. Nodorana tamin’ny afo izy ireo ary notoraham-bato,
Dia ren’i Israely rehetra ny vaovao: Namely ny miaramilan’ny Filistinina i Saola, ary tonga mahadikidiky ny Filistinina aza i Israely. Ary nantsoina ho any amin’i Saola any Galgalà ny vahoaka.
Dia hoy i Samoela: «Hataoko ahoana no fankàny? Ho ren’i Saola izany dia hataony maty aho?» Ary hoy i Iaveh: «Mitondrà vantotr’ombivavy, ka ataovy hoe: Hanatitra sorona ho an’i Iaveh no nankanesako tatỳ.
Ary hoy i Davida anakampony: «Mbola ho fatin’ny tanan’i Saola ihany aho, indray andro any, ka ny mandositra faingana any amin’ny tanin’ny Filistinina no mety amiko indrindra, mba hitsaharan’i Saola tsy hitady ahy intsony amin’ny faritan’i Israely rehetra, dia ho afaka amin’ny tanany aho».
ka natoky an’i Davida i Akisa, fa hoy izy: «Nanao izay hampangidy hoditra azy amin’i Israely vahoakany izy, ka ho mpanompoko mandrakizay».