Genesisy 12 - Baiboly KatolikaTANTARAN’I ABRAHAMA Fiantsoan’Andriamanitra an’i Abrahama 1 Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao. 2 Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. 3 Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.» 4 Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany. 5 Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy. 6 Dia namaky ny tany i Abrama, hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin’ny terebintan’i Môre. 7 Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy. 8 Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh. 9 Dia nandroso ihany i Abrama nifindrafindra lasy nianatsimo. I Abrahama any Ejipta (Jereo 20 ; 26,1-11 ) 10 Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany. 11 Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: «Fantatro fa noho ianao vehivavy tsara tarehy, 12 rehefa mahita anao ny Ejiptianina dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy. 13 Koa lazao fa anabaviko ianao, ka ianao no handraisany ahy tsara ary ianao no hamelany ahy ho velona.» 14 Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. 15 Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraôna ravehivavy. 16 Nasiany soa i Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondra vavy sy rameva. 17 Nefa loza mafy dia mafy no namelezan’i Iaveh an’i Faraôna sy ny ankohonany, noho ny amin’i Saray vadin’i Abrama, 18 ka nampaka an’i Abrama i Faraôna nilazany hoe: «Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, 19 fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana.» 20 Dia nohafatrafaran’i Faraôna ny mpanompony, ny amin’i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban’ny fananany rehetra. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society