Eksodosy 6 - DIEM PROTESTANTA1 Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo! Mampanantena an’i Mosesy ny Tompo fa hanafaka ny Israelita 2 Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO». 3 Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha» no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4 Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5 Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6 Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7 Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina. 8 Hoentiko any amin’ny tany izay efa nianianako tamin’ny tsangan-tanana fa homeko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.» 9 Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana. 10 Niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO hoe: 11 –Mandehana miteny amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba halefany hiala amin’ny taniny ireo Israelita. 12 Fa nanambara teo anatrehan’ny TOMPO i Mosesy hoe: –Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’ny Farao ahy izay votsa vava ity? 13 Nefa mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin’ny Israelita sy amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta. Ny lisitry ny razan’i Mosesy sy i Aharôna 14 Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita. 15 Ny zanakalahin’i Simehôna dia i Jemoela, i Jamina, i Ôhada, i Jakina, i Tsôhara, ary i Saola; ity Saola ity dia zanany tamin’ilay vehivavy kanahanita. Izy enin-dahy no razamben’ireo tarika simehônita. 16 Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ. 17 Ny zanakalahin’i Gersôna dia i Zibnỳ sy i Simehỳ, izay samy manana ny tarika tandrify azy avy. 18 Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata. 19 Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahelỳ sy i Mosỳ. Ireo no razamben’ny tarika levita samy araka ny taranany avy. 20 I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama. 21 Ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Kôra sy i Nefega ary i Zikrỳ. 22 Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Misaela sy i Elitsàfana ary i Sitrỳ. 23 I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. 24 Ny zanakalahin’i Kôra dia i Asira sy i Elkanà ary i Abiasafa; ireo no razamben’ny tarika kôrahita. 25 I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy. 26 Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.» 27 Koa nandeha niteny tany amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Mosesy sy i Aharôna mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny. Manavao ny teny fampanantenàny amin’i Mosesy Andriamanitra 28 Tamin’ny andro izay nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany Ejipta, 29 dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao. 30 Fa novalian’i Mosesy hoe: –Indro votsa vava aho, ka tsy hihaino ahy mihitsy ny Farao! |
Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara © Malagasy Bible Society, 2004.
Malagasy Bible Society